Politique

Fitondrana MAPAR Be no diso fanantenana


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Maro sahady ireo mpanohana an` i Andry Rajoelina no diso fanantenana fa toa tsy mena mivadika ity Filoham-pirenena ity.

 

 

 Ny ankamaroan` ireo mpomba azy dia nieritreritra avokoa fa hisokatra indray ny afera, Misy ireo zatra an` ilay gaboraraka nisy tamin` ny tetezamita. Marihana fa tsy mitovy intsony ny fitondrana tetezamita sy ny fitondrana nipoitra tamin’ny fifidianana. Raharaha politika no atrehina ka tsy maintsy fehezina ny olona ao anatin`ny antoko sy fikambanana nanohana. Zava-doza anefa no mety ho vokatr` izao ady mangatsiaka raha toa ka tsy mandinika ny Filoha Rajoelina. Raha hiverenana ny teny filamatra iray izay nandritra ny fifidianana dia nanao hoe :  “Mpanganana fa tsy mpandrava” dia voaporofo izao fa sarotra ho an` ny mpandrava no mandamina sy manangana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT