Raha matoritory ankehitriny ny resaka nosy Malagasy eto Madagasikara na ireo nosy manodidina dia manohy ny hetsika hitazomany izany kosa ny fitondrana frantsay. Mbola tsaroana ilay teny malaza nataon’ny filoham-pirenena frantsay,
Emmanuel Macron, tao amin’ny Nosy Sambatra na “Ile Glorieuse” manao hoe “Ici, c’est la France” 23 oktobra 2019 teo. Nitohy naharitra tamin’ny fikasan’ny frantsay hamadika ity toerana ity ho valan-javaboahary manokana moa izany hatramin’izao, raha ny fantatra hatreto. Ankehitriny dia miezaka mampahafantatra ny hasarobidin’ireo nosy manodidina an’I Madagasikara bebe kokoa amin’ireo olompirenena frantsay ireo mpitondra sy olom-boafidy ao aminy. Niteraka resabe hatramin’ny omaly, ohatra, ny fampahafantarana momba ireo nosy miisa 3 dia ny Europa, Juan de Nova ary ny Nosy sambatra voalaza teo izay adikan’izy ireo ho “Grande glorieuse” moa. Voalaza ao amin’ny tranonkalan’ny antenimieran-doholona frantsay, ohatra, fa ny Europa no sarobidy indrindra amin’ireo nosy manodidina. Manana velaran-tany 30 km2. Ao amin’ny ranomasimben’I Mozambika ary manelanelana ny ilany atsinanan’I Afrika sy andrefan’I Madagasikara. Hany nosy manana toetr’andro sy tontolo iainana saika madio tanteraka. Ny tafika frantsay, andiany faharoa ao amin’ny RPIM no manara-maso azy. Juan de Nova kosa dia nosy miendrika drakaka ary efa toeram-pitrandrahana “phosphate” hatramin’ny taona 1972. Ny Nosy sambatra moa dia tsy ambakan’ireo ary arovan’ny tafika avy atsy Maioty dia ny DLEM. Santionany vitsy dia vitsy tamin’ireo fampahafantarana natao ireo saingy ahoana kosa ny momba antsika?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.