Feno iray volana katroka anio no nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina ny fianianana maha filoha voalohan’ny Repoblika faha-4 azy. Teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina no nanaovana ny lanonana ny 25 janoary 2014.
Tsy hipok’olona tahaka ny mahazatra ny kianja, nikorontana ny fandaminana, hita ho tsy dia nahazo aina nandritra ny lanonana ny filoha ary ny tena loza dia kabary nadika avy amin’ny kabarin’ny filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy no nampamakiana an’i Hery Rajaonarimampianina. Iray volana izay no dila fa tsy mbola mipetraka tsara ihany ny fanjakana. Tsy misy praiminisitra hatramin’izao fa mbola i Omer Beriziky no tompon’ny lapa eny Mahazoarivo. Tahaka izany koa ireo minisitra. Misy mihitsy aza ny mbola manantena fa hiverina ao anaty governemanta, hono. Efa nivadika ho ady mangotraka ilay ady mangatsiaka teo amin’ny kandidan’ny Hevy Vaovaon’i Madagasikara sy ny filohan’ny tetezamita izay namorona ny vondrona MAPAR. Ity ankolafy politika ity indray no toa manao fihetsika manohitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha toa ka nisafidy ny hanaiky azy sy mety hiara-kiasa aminy mihitsy aza ny ankolafy Ravalomanana, satria ny fifanomezan-tanana amin’ny fanavotana ny firenena no zava-dehibe izao, hoy ny Zanak’i Dada. Marina fa tsy mbola ampy hitsarana ny fomba fiasan’ny filohan’ny Repoblika ny iray volana niasany, fa na izany aza dia mitarazoka loatra kosa ilay hoe iray volana tsy mbola voatendry ny praiminisitra e ! Aorian’io mantsy mbola hanendry minisitra maromaro. Dia mbola haharitra firy herinandro indray ny adihevitra sy adivarotra politika vao ho vita izay ? Dia mbola mitohy ihany ny fanendrena sy fanoloana mpiasam-panjakana ambony isaky ny minisitera, dia ho tonga eo ihany ny enim-bolana niasana kanefa tsy misy na inona na inona vita. I Hery Rajaonarimampianina anefa efa nampanantena tany amin’ny propagandy fa hofoanana ao anatin’ny 3 ka hatramin’ny 6 volana ny delestazy. Inoana fa mahafantatra tsara ny fahasahiranan’ny vahoaka ingahy filoha ka hikaroka ny hevitra handaminana haingana izao savorovoro politika tsy mety vita izao, satria raha ny sitrapon’ny mpanao politika dia tsy hitsahatra mihitsy io sangodim-panina io, amin’izay mitobaka ny vola sy ny tombontsoa isan-karazany. Ny olona tsy te hahalala izay politika avo lenta fa aminy rehefa mikatso ny raharaha dia ilay filoha mihitsy izany no tsy mahavita azy, ka asakasak’i Hery Rajaonarimampianina raha hiandry izay sitrapon’ny mpanao politika izy na mba ho hentitra amin’izay amin’ny fanapahan-kevitra raisina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.