Sambany nahitana fanehoan-kevitra tamin’ny teny anglisy ny faran’ny herinandro teo ny rindrin’ny Facebookn’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina.
Taorian’izay moa dia nisy koa ny fivahinianan’ny minisitry ny serasera malagasy sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, tao amin’ny haino aman-jery anglisy.Raha fintinina fohy ny resany tao dia nifantoka betsaka tamin’izay azo lazaina momba ny tambavy Covid organics na CVO. Ankoatry ny filazana fa Artemesinine no kasinga fototra ao anatiny dia naverina nazavaina koa fa tsy mila miandry ny atao hoe fanandramana klinika izy io fa fitiliana na “observation” dia ampy. Nangataka fanazavana mikasika ny maha samihafa ireo moa ny mpanao gazety ka dia novalian-dramatoa minisitra arak’izay fahazoany azy toy ny mahazatra izany. Amin’ny ankapobeny dia tsikaritra ho nisarika ny be kintana sy ireo firenena miteny anglisy mba hanjifan’izy ireo ity tambavy malagasy ity ny resakay. Paikadin-tserasera izay hita ho natodika kokoa any amin'ireo firenena miteny Anglisy fa tsy nionona intsony tamin'ny firenena Frankofonina. Anisan'ny fanontaniana mipetraka any an-tsain' ny olona ny hoe ho sahy hanapaka tanteraka ny tady amin’ny frantsay tokoa ve ny fitondrana ankehitriny sa inona no mety ho anton'izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.