Asa na rehefa iza dia iharan’ny lalàna, ary rehefa iza dia malalaka sy afaka
mandika izany amin’izay tiany mihitsy. Tsy finiavana hanakiana be fahatany ny Filoha, fa lasa ohatra ratsy sy tsy mampipetraka ny haja sy fankatoavan’ny vahoaka ny Fanjakana intsony ny fanaovana tari-bato vilam-bava. Sesilany ny fanehoana fifanoheran-javatra amin’ny zavatra ambara, kanefa hafa no tanterahina. Ny lalàna 2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka no maneho mazava ao amin’ny andininy faha 61, fa “voararan’ny lalàna tanteraka ny fitokanana zava-bita ara-panjakana mandritra vanim-potoana an-katoky fifidianana sy ao anatin’ny fampielezan-kevitra. Nandika izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny 24 novambra 2019 nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna. Nitokana ny kianjan’I Barikadimy, ary nanotrona izany ny ben’ny tanàna ankehitriny Atoa Rakotonirina Nantenaina Kandidan’ny IRD, kanefa 3 andro taorian’io dia ny 27 novambra 2019 ny fifidianana. Tsy nisy olana izany fa vita ho azy. Ankehitriny, ny 17 novambra, dia nisy fitokanana hopitaly tany Antenetibe Mahazaza eny Ambohidratrimo, ny 18 novambra nisy ny fitokanan’ny Filoha ny ozinin’ny orinasa LMOI metsy sokajiana tsy ho olana satria an’ny tsy miankina; ny 26 novambra, dia nitokana ny Ivotoro teny Nanisana indray ny Filoha, omaly 30 novambra dia toa somary sarintsarim-potokanana ny fanombohana ny taom-pianarana vaovao 2020-2021 teny amin’ny EPP vaovao eny Soamandrakizay,… Ny zoma 20 novambra anefa tany Antsiranana raha saika hitokana ny fotodrafitrasa vitany, toy ny zaridaina vaovao ny ben’ny tanàna izay tsy miara-dia amin’ny Fitondrana, dia nanaovana bemidina sy norarana ary norahonana, ka nihemotra. Natao ho an’iza ny lalàna?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.