Vita ny lalaon’ny Barea omaly, izay nosantarina tamin’ny faharesena. Ny lalao manaraka no afahana manarina azy, ka ny akaiky indrindra dia ilay fifanandrinana amin’I Tanzanie any Dar Es Salaam ny 7 septambra ho avy izao.
Tokony hifantoka betsaka any amin’io izany ny mpilalao Malagasy. Raha ny fandaharam-potoana tany am-boalohany, dia tokony ho nanainga omaly hariva taorian’ny lalao omaly ny Barea. Nisy anefa ny fihemorana ary rahampitso 4 septambra no mety hanainga, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny FMF ny alarobia lasa teo. Rehefa tena zohiana ny tantara, dia nanova zavatra ilay tsy fifankahazoana teo amin’ny FMF sy ny Fanjakana foibe tarihin’I Andry Rajoelina. Nofaritan’ny mpitondra ho natao omaly ny 2 septambra nialohan’ny lalao ny fitokanana Kianja, saingy niova noho ny fapanapahan-kevitra noraisin’ny CAF tany aloha, fa tsy azo hatrehina ny lalao, ka nambara fa ny 4 septambra indray ny fitokanana. Na niova ho azon’ny olona 10 000 nojerena aza, dia mbola notazonina ilay datin’ny rahampitso 4 septambra hitokanana ny kianja. Azo heverina, fa noho io no nanovana ny programan’ny ekipam-pirenena. Mbola hanaovana “werawera” etsy Mahamasina aloha, mbola mila manome voninahitra ny Filoha mamim-bahoaka hitokana kianja sy hifety be,… Asa anefa raha nanova zavatra ilay faharesena omaly ka mety ho lasa aloha ny Barea mba hanomana ny lalao manaraka na ny seho ivelany sy ny rendrarendran’ny fitondrana aloha no mandeha aloha? Sa tsy olana izany fa giazana eto ihany aloha ny ekipa? Milamina ve ny fanomanana ny dia? Hifety be mitalakotrokotroka ihany izany rahampitso na eo aza ny faharesena manamaloka ny ekipam-pirenena sy ny tontolon’ny kitra Malagasy ?
Toky R¬
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.