Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.
Mbola tany ihany koa no namoahana ilay boky mitantara ny fiainana politikany izay nampitondrainy ny lohateny amin’ny teny frantsay hoe « Amour de la patrie », izany hoe fitiavan-tanindrazana. Io fitiavan-tanindrazan’ity filoham-pirenena ity io mihitsy anefa no mampametra-panontaniana ankehitriny hoe tena izy ve sa sandoka ? Hisy indray, raha ny heno, ny fitsidihana hataony any Frantsa ny 28 mey ka hatramin’ny 3 jona izao. Ny 30 mey anefa no hankalazana ny tsingerin-taona nahaterahany.Ny fitsidihana an’i Senegaly taorian’ny fahatsiarovana ny raharaha 29 martsa 1947 izay niteraka resabe farany teo moa tsy hiverenana intsony. Tena tia tanindrazana marina ve ity filoham-pirenentsika ity ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.