Mirarakompana ny fitetezam-paritra ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay tena manao fihodinana an’i Madagasikara mihitsy.
Mitokanan-javatra, mizara zavatra, mampanantena,… Maneho serasera fa tena miasa sy mamonjy vahoaka. Ny tena olana dia ny fahatarafana fanararaotana ny fahasahiranana sy fahorian’ny olona mba hanandratan-tena ho sanatria toy ny hoe : Mesia mpamonjy sy mitondra ny vahaolana rehetra.
Takona ireo manampahefana isam-paritra
Ny governora sy ben’ny tanàna angaha moa tsy afaka mizara fanampiana sy jiro no tsy maintsy ny filoha no manao izany mitety faritra? Angaha tsy hanao fitsinjaram-pahefana tena izy indray? Io ilay mitaiza ny olona hiantsoantso filoha foana vao misy olana toy ny hoe: tapaka ny karama, mba jereo Atoa filoha; ady tany, mba jereo Atoa filoha,… Sanatria hatramin’ny ady mivady aza mety ho tsy voavaha intsony, raha tsy Atoa Filoha. Haingon-tsehatra sisa ireo olom-boafidy sy ambaratongam-pahefana misy.
Sao dia mba fanararaotana kosa ?
Marina fa sahirana ny vahoaka, fa tsy tokony hararaotina, ka sanatria atao toy ny akoho tambazam-potsimbary sy hatao amin’izay hitiavana azy. Manampy trotraka, ny fandaniana mihoampampana sy endrika propagandy ankolaka sahady. Tamin’ireny fampielezan-kevitry ny fifidianana Filoham-pirenena ireny, dia eo amin’ny 40 tapitrisa Ar isan’ora eo hofan’ny angidim-by iray, ary 50 tapitrisa Ar kosa ny fiaramanidina, izay azo hakana sary an-tsaina amin’ny fandaniana ataon’ny Filoha amin’izao, izay mandeha fiaramanidina manokana na “jet privé”. Sao mba tokony holanjalanjaina sy haompana amina sehatra mamokatra kokoa ny fandaniana mihoampampana. Lazaina fa mpandany vola na “budgetivore” ny Antenimierandoholona izay mitaraina ho tsy misy vola iasana, ka tokony hipetraka ho fitaratra sy filamatra ny Filoha sy ny ekipany mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.