Filoham-pirenena teo aloha roa no niteny tao anatin’ny 48ora izay, dia Atoa Marc Ravalomanana sy ny Amiraly Didier Ratsiraka.
Hiteny sy hanao valan-dresaka ihany koa ny Filoham-pirenena am-perinasa Andry Rajoelina rahampitso sabotsy. Tsy mbola fahita hatrizay teto amin’ny firenena izany. Tsy tongatonga ho azy, ary tsy kisendrasendra fa misy antony lehibe. Misy lanjany goavana ara-politika, midika fa misy toe-javatra goavana miseho eto amin’ny firenena, anaty krizy i Madagasikara. Ny tsikaritra, dia misy hevitra nitoviana ny an’ireo Filoha roa teo aloha eo anatrehan’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus, dia ny tokony hananana safidy malalaka ara-pitsaboana amin’ny alalan’ny fampidirana ny vaksiny. Ity lafin-javatra iray ity, izay tsy dia levon’ny vavonin’ny fitondrana, na efa somary nohalefahana azan y fomba firesaka, fa mbola ao anatin’ny fanaraha-maso na “obsérvation” momba ny vaksiny ny mpitondra. Ara-politika, mipetraka foana ny traikefa sy fahafahan-tarana zavatra maro eo amin’ireo Filoha teo aloha ireo. Mety ho manana loharanom-baovao sy rohim-pifandraisana lavitra noho ny mpitondra ankehitriny aza izy ireo na ho an’ny ato anatin’ny firenena, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Marina fa tsy eo amin’ny fitondrana, fa mbola miresaka sy manontany an’ireo ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, mety mbola henoina mialohan’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba an’I Madagasikara. Tsikaritra ankehitriny, fa marefo amin’ny lafiny maro ny fitondrana Rajoelina: diplaomasia, jeopolitika, poltika, fitantanana,… Tratry ny tsindry amin’ny endriny maro, ary mety ho simba sy ho potika, raha minia manangam-bovona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.