Politique

Fitaovana ampidirin’ny Fanjakana Mila fanazavana matotra sy mitombina


  • Talata 26 Janoary 2021

Zava-dehibe ny fahatongavan’ny fitaovana goavana fanamboaran-dàlana halefa

 

 

 

 

 

hampiasain’ireo faritra eto Madagasikara, izay naseho tao Toamasina ny 24 janoary lasa teo. Na izany aza, somary mampametra-panontaniana hoe: tena fitaovam-panjakana madiodio ve ireo sa ana orinasa na an’olona tsy miankina? Efa nisy mantsy ny toe-javatra toa mitovitovy amin’izao natao ny 14 desambra 2019 nampisehoana kamio sy fitaovana be dia be teny Mahamasina, kinanjo herintaona taty aoriana tsy mbola voaroaka sy voataona ny fakon’Antananarivo. Teny amin’iny faritra Andakana iny no nahitana ireo kamio be dia be avy eo, izay toa midika fa tsy fananam-panjakana fa an’olona hafa. Voasoratra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2020 na 2021 ve ny fividianana ireto fitaovana vaovao sa mety hitovy amin’ny teo aloha? Tahaka ny ahoana ny antso tolo-bidy nahafahana nividy sy nampiditra azy ireny teto raha volam-panjakana madiodio? Efa nanangana orinasam-panjakana momba ny asa vaventy sy fanaovan-dàlana ihany koa ve ny Fitondrana? Tsy finiavana hitsikera, ary tena mandrisika ny Fanjakana hiasa, saingy mila mangarahara kosa ny fitantanana ny firenena. Maro ny zavatra tsy dia mangarahara loatra eto, ary raha hitarina kely amina zavatra hafa, dia ahitana taratra ny toe-javatra toa mifamahofaho mitovitovy amin’io ilay raharaha fampidirana fitaovam-piadiana niadian-kevitra be teto. 16 desambra 2018, ohatra, izay tafiditra tao anatin’ny fangatahana momba ny andrana ataon’ny kandida Rajoelina ny “drones” sy ireo fitaovana nafarany ny fanatrehan’ny orinasa Lockheed USA sy ny Aerial Vision Africa atsy Afrika Atsimo. Ny desambra 2020 teo anefa, nilaza ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa novidiana 15 miliara Ar avy any Chine ny fitaovam-piadiana, ary tafiditra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018? Inona izany no nahatafidiran’ny Lockheed USA izay mpamokatra fiaramanidina mpiady sy fitaovam-piadiana tao anatin’ny fangatahan’ny kandida Rajoelina? Tena marika sinoa ve ireo fitaovana novidiana? Manahirana sy mampanahy ny toe-javatra mifamahofaho tahaka izany, ary hanairana ny Fanjakana hatrany mba hisian’ny mangarahara. Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT