Politique

Fitaovam-panamboarana ny kianja Barea Tonga ao Toamasina ny sambo sinoa…


  • Talata 10 Martsa 2020

Miantsona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ilay sambo sinoa Xichanghai mitondra ireo fitaovana hanatontosana ny tetikasan'ny filoham-pirenena.

 

 Voalaza fa fitaovana hanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina ireo. Nisy moa ny loharanom-baovao nilaza fa voatery namonoana omby mihitsy teny an-toerana satria nikatso ny asa. Voalazan’io loharanom-baovao io fa noresena lahatra ireo sinoa manao ny asa mba hamonoana omby eo amin’io toerana io, ka natao tokoa ny talata lasa teo, izany hoe tamin’ny heriny anio. Voalaza fa nisosa mora ny asa rehetra taorian’io. Manana telo volana eo ny fanjakana hanatanterahana ny fanambiny, dia ny hahavitan’ny dingana voalohan’ny asa mialoha ny 26 jona 2020. Tsy misy ahiana ny resaka coronavirus momba ilay sambo sinoa satria dia efa mihoatra ny 40 andro no nitoka-monina io sambo io, ary 6 volana tsy tany Sina, raha ny fanazavana. Voalaza fa tsy avy any Sina ireo entana ampidinina eto ireo fa nalaina rany an-toeran-kafa. Tsy nisy ihany koa mpiasa sinoa nampidinina teny ambony sambo hiasa eto Madagasikara tamin'io sambo vao tonga io. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia tena hentitra ny fepetra momba ny coronavirus raha ao amin'ny seranan-tsambo Toamasina. Hatramin'ilay sambo lehibe mpitondra mpizahatany Costa aza dia niverim-potsiny, na dia efa feno bajaj 200 mahery niandry teo ivelany hitsena vahiny, ary nody fotsiny ireo mpivarotra art Malagasy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT