Natao resabe ny politikan’ny fitsitsiana, nahena ny isan’ny minisitera, roahina ny mpiasa tsy raikitra, roahina ireo mpiasa sasany niditra tamin’ny andron’ny fanjakana teo aloha,…
satria mampihatra fitsitsiana, hono, ny fanjakana Rajoelina. Sesilany anefa ny dia tany ampitan-dranomasina in’efatra tao anatin’ny roa volana sy tapany nanaovana fiarovan-tena be fa misy tombontsoan’ny firenena. Eto an-toerana, dia totoafo ny fandaniam-bola fahatany. Nohenjehina i Hery Rajaonarimampianina, raha nanao filankevitry ny minisitra nitety faritra, saingy io fa nanao Rajoelina tany Antsiranana. Henjana ny fandaniana amin’ny fitondrana minisitra 20 mahery any Antsiranana izany, mbola misy ny « staff techniques ». Ilay angidimby nambara fa homena ny tafika lasa fanaovan’ny filoha fitetezam-paritra hatreto. Re fa mbola hofaina isaky ny mahavita sidina 50ora amin’ny Afrikanina Tatsimo. 40 tapitrisa ariary isan’ora eo ny hofan’ireny. Ho any Frantsa ny filoha ny 28 mey-03 jona. 350 dolara (1 225 000Ar eo ho eo) isan’andro ny “indemnité” ho an’ny olona iray, hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy fony Rajaonarimampianina nambara fa nirobaroba. Ny firenena mampiantrano no mandoa ny fivahinianana hatramin’ny fiaramanidina satria vahiny manan-kaja Rajoelina, hoy kosa ny filazany taty aoriana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.