Miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahombiazan` ny fitantanana raharaham-panjakana raha ny zava-nisy nandritra ity taona 2020 ity. Santionany fotsiny ny resaka “Bonbon sucette”
8 miliara hamonoana ny tsiron` ny tambavy CVO amin` ireo mpianatra. Izao indray dia nipoitra ny raharaha fividianana fitaovan` ny CCO izay nahavoarohirohy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tianarivelo Razafimahefa sy ny vadiny Tsanta Razafimahefa. Na dia andrasana aza ny famotorana lalina mahakasika ireo raharaha dia mipetraka ny fanontaniana: Toa mangina ny praiminisitra Ntsay Christian? Raha fitantanana raharaham-panjakana dia tsy hita izay fanatanterahana ny politika ankapobean` ny fanjakana ataon` ny praiminsitra Ntsay. Toa lasa manao asan` ny sampandraharaha misahana ny tsenam-barom-panjakana (PRMP) amina minisitera maro. Antony dia eo anivon` ny primatiora no manapaka ireo “achats” toy ny fitaovana ara-informatika, fiara... ho an` ireo minisitera satria tsy manana fahafahana intsony ireo. Hatreto ihany koa dia mbola mitarazoka ny fanendrena tompon’andraikim-panjakana ambony eo anivon` ireo minisitera sasany. Sanatria ve ny olony ihany no tiany hapetraka isaky ny ministera, ho fanomanana ny fifidianana filoan` ny repoblika manaraka? Maro ny asa fampandrosoana taraiky satria noho izy misahana ny fitantanana dia miandry fankatoavana avy any aminy nefa asan` ny minisitera ary andraikitra sahaniny ihany koa. Midika izany fa tsy mahatoky ny mpiara-miasa aminy ny praiminisitra. Anisan’ny manapotika ny fitondran-dRajoelina izao fomba fiasa izao ary manaratsy ny endrik` i Madagasikara mihitsy raha mbola mitohy izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.