Politique

Fitantanana ny tanànan’i Mahajanga “Hajao ny lalàna, ataovy ny fifidianana”


  • Alakamisy 22 Jolay 2021

Voaporofo ary miharihary ny fahabangan-toerana na “vacance de poste” amin’ny fitantanana ny kaominina Ambonivohitr’I Mahajanga.

 Araka ny didim-pitsarana laharana faha 001/20 TA/MA/GELECTOM tamin’ ny 10 novambra 2020 dia voafidy ho « Ben’ny Tanana » Atoa Andriantomanga Mokhtar Salim. Voatendry ho governoram-paritra anefa izy araky ny didim-pitondrana laharana faha 2020/807 tamin ;ny 23 jolay 2020, izany hoe herintaona latsaka enina andro izay. Nitantana vojy maika ny Tanànan’i Mahajanga ny Lefitra Voalohany mba ho fampandehanan-draharaha mandra-pahavitan’ny taratsy ara-panjakana fa misy tokoa ny fahabangan-toeran’ny Ben’ny Tanana. Araky ny didim-panjakana laharana faha 3033/2021 tamin ;ny 18 janoary 2021 dia votendry ho Filohan ;ny Delegasiona Manokana na PDS (Président de la Délégation Spéciale) Rtoa Tonganirina Zafiarinefo Velomary. Voafaritra mazava tsara ao amin’ny lalàna 2014/020, and faha-130 fa mandritry ny 120 Andro no fe-potoana hiasany sy hitantana ny Tananan’i Mahajanga, ary hanomanana fifidianana amin’ny ampahany. Marihana efa tapitra ilay fe-potoana 120 Andro izay tsy azo havaozina. Nanaraka an-tsakany sy an-davany ny lalana velona misy eto Madagasikara ny fitondram-panjakana hatreo, saingy efa mivaona taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana tokony nirosoana tamin’ny fifidianana. Noho izany, mitaky ny Mpanohana ny Kandida (tsy miankina) laharana fahatelo Atoa Rakotovao Roger Yvon, izay nahazo ny laharana faha roa tamin’ny isam-bato azo tamin’ny fifidianana fifidianana izay ho Ben‘ny tanàna sy Mpanolontsaina tamin’ny 27 novambra 2019 mba hanantanterahana ny fifidianana amin’ny ampahany (Election partielle) eto Mahajanga sy amin’ireo Kaominina mbola tsy nisy Ben’ny Tanana sy Mpanolontsaina voafidy araky ny voafaritry ny Lalana 2014/020 And -129 irosoana ny fifidianana amin’ny ampahany ao anati’ny roapolo amby zato andro (120) manomboka amin’ny vaninandro namoahana ny didi-pitsarana mifandraika amin’izany. Tsy misy fifidianana amin’ny ampahany intsony rahateo raha toa ka ao anatin’ny roa ambin’ny folo (12) volana mialoha ny fahataperan’ny fotoanm-piasana no misy fahabangan-toerana. Mahatoky ny fahendren’ny mpitondra Fanjakana izahay sady ambara rahateo fa « Firenena tan-dalàna I Madagasikara », hoy ny Association FR.EGA.TE mivoy ny teny faneva « Fraternité et égalité Territoriale» tarihin’ny kandida Rakotovao Roger Yvon.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT