Politique

Fitantanana ny firenena “Tsy olana na minisitra 50 aza raha tena mamokatra”


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Ny zava-misy sy malaza eto dia kere, vidim-piainana, sakafo, làlana potika,… no malaza. Tsy afaka handeha jonjorombona ilay “contrat-programme”,

 ilay PEM aza tsy hita tabilao, tokony mampiseho amin’ny depiote ary mitodika amin’izy ireo mba hijery akaiky hoe: inona marina ilay “contrat-programme”, hoy I Constant Raveloson naneho ny heviny afak’omaly tao amina fahitalavitra iray. Tsy fanarenana fotsiny fa hoe: ahoana ny paikadintsika Malagasy hiarenana haingana taorian’ny covid-19. Toa kingakinga ihany rehefa nisy hoe fandrahonana sy fifoana aina nanamboatra governemanta, ka tokony ho ohatr’izay ihany koa ny fandraisana andraikitra fa tsy toy ny mahazatra tsy nisy valanaretina. Misy minisitry ny varotra ao, dia anjarany ny mamoaka ny “contrat-programme” hoe ahoana no mamaha an’io. Tsy dia atomotra ny roa taona ho an’ny Minisitry ny fambolena hamoahany hoe: ity no mahavelona ny mpamokatra sy misy iainan’ny mpiala vola, misy minisitry ny asa efa talohan’ny covid-19 ka ahoana ny mba heviny momba ny vidim-piainana?(...) Raha 50 aza ny mpikamban’ny governemanta, ka raha tena mifantoka tsara amin’izay tena ilaina ny ataony, tena mijery ny hatramin’ny Ariary sy Ariary zato, tsy misy vola verivery, hainy ny mampiasa azy amin’ny tokony hampiasana azy tsy misy mipika, mandaitra sy mitera-bokatra izay omena ilay ministera, dia zava-dehibe izay. Ny Filoha miresaka “culture des résultats” ka ho hita eo izay. Ny fampidirana volam-panjakana hiasan’ilay minisitera ihany koa dia tena zava-dehibe. Santionany fotsiny ilay resaka Madagascar Oil izay mikatso, fa mikatso ihany koa ny fanamboarana tohadrano famokarana herinaratra any Volobe sy Farahantsana, ilay fitsitsiana eo fa ilay hampisy harena mba hiodinantsika dia tokony jerena. Tsy latsaky ny 6 ohatra ny minisitra avy any amin’ny Faritra Toliara, jereo tsara, kere ve ny mahatonga azy manao izay? Mahavaha kere ve ireo? Sa fifaninanana politika hoe misy mpanao politika mihetsiketsika any Toliara? Tsy mahavita manome fahafaham-po an’I Toliara amin’ilay kere? Maro ny misy dahalo, maro ny toerana misy fambolem-bary, ka maninona no tsy mba atao toy izany koa ary? Hoy ity mpanao politika ity. Momba ny governemanta, misy minisitra amin’izao nanolo-bato mafana ny Filoha Rajaonarimampianina tamin’ny kabary, izahay maheno hoe vazaha hono io, polisy Frantsay hono, tsy miteny Malagasy hono, efa nitazona andraikitra ambony fa tsy fantatra hoe inona? Tsy fahotana ny milaza ny marina raha madio, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Constant Raveloson tsy nisorona.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT