Mbola mitady fahamarinan-toerana ara-politika hatrany ny Filoha Rajoelina roa taona latsaka kely taorian’ny fanambaran’ny HCC ny 8 janoary 2019, fa nandresy ary lany ho Filohan’ny Repoblika tamin’ny isam-bato 55,66% ny Filoha Rajoelina, raha toa 44,34% kosa ny an’ny mpifandrina.
Tsy misy sakana mihitsy amin’ny fanatanterahana ny programany, raha ny lafiny fifandanjan-kery ara-politika satria an’ny mpitondra ankehitriny ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena, ny ben’ny tanàna,… Toa tsy mety marin-toerana ny fitondrana, ary tsy afa-po amin’izany. Porofon’izany ny fikitihana lalàna na lalàmpanorenana. Nanao ny faraheriny hamelezana ny antenimierandoholona, izay hany andrim-panjakana eo am-pelantanan’ny mpanohitra. Hizotra amin’ny fikitihana lalàmpanorenana izay izy ireo ihany no nampandany azy tamin’ny karinem-pokontany tamin’ny tetezamita. Lazaina mandany vola ny antenimierandoholona kanefa 1/9 amin’ny tetibolan’ny Fiadidian’ny Repoblika ny tetibolany. Hatramin’izao, toa mbola endrika propagandy no aseho, maka ny fon’ny olona etsy sy eroa, manezaka mizara zavatra,… fa ireo tetikasa nampanantenaina tamin’ny Propagandy toa miova an-dàlana, ary ny voambolana IEM aza adino tanteraka. Tsy afa-miala bala, tsy afaka manilika any amin’ny hafa intsony ny Filoha sy ny ekipany, ka izy ireo no toa miezaka mandrehitra ny afo politika etoo. Mety ho poizina ny tsy fisiana fifandanjan-kery amin’io fahefana io izay azy ireo manontolo. Ahiana hitarika fihoaram-pefy sy tsy fandajanlanjana ary indrindra fahatokisan-tena tafahoatra satria tsy misy arofanina ara-politika intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.