Politique

Fitantanana ny firenena Tsy maintsy ovaina ny lalàmpanorenana ?


  • Talata 09 Jolay 2019

Hiroso amin’ny fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vao voafidy ny talata 16 jolay izao. Ny IRD rahateo no mitarika ny fahazoana maro an’isa eny anivon`ity andrim-panjakana ity.

Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy hiroso amin`ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mahakasika fanovana ampahany amin’ny lalàmpanorenana ny fitondrana. Sarotra ny hilaza na tsara na ratsy ilay fanovana na fanitsiana tian’ny fitondrana entina. Tsy afaka hitondra fanazavana na fanohanana na fanakianana momba izany amin’izao fotoana izao.  Vonon-kiaro ny lalàmpanorenana tokoa ve ny filohan` ny Repoblika ? Hatreto tokoa dia tombantombana no entina. Moa ve ireo hevitra nivoitra nandritra ny hetsiky ny depiote 73 no hotanterahan’ny filoha Rajoelina ? Inona tokoa moa no nitambaran’ireo depiote tamin’izany fotoana izany ? Fiarovana ny fahamarinana ? Mila fanovana na fanitsiana lalàmpanorenana ve izany ? Na hanao ahoana ny fandrafetana ny fanontaniana mipetraka ho an’ny mpifidy dia tsy maintsy valiana ENY na TSIA. Ny eo amin`ny mpitondra kosa dia tsy maintsy miaro ny politika entiny mitondra ny firenena. Raha te hanatontosa ireo fampanantenany sy ireo velirano nataony ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy miroso amin`ny fitsapan-kevi-bahoaka : hofoanana ny Antenimierandoholona. hapetraka ireo governora isam-paritra ka ho lasa 23 ny isan` ny faritra, hofidiana ny sefom-pokotany… Tsy olana ny manitsy na manova lalàmpanorenana saingy tokony hatao ao anatin` ny fifampidinihana izany. Tsy azo atao maimaika fa mila ifampiresahana amin`ny mpisehatra politika rehetra ary misy ny dingana sy paika arahina. Na i Andry Rajoelina aza dia nanova io lalàmpanorenana io ny 2010 mba tena hifanentana taminy satria nihevitra ny hijanona teo, saingy tratry ny “ni…ni…” ny 2013. Mbola lalàm-pifidianana sy lalàna hahafahany mitazona fahefana no nanonganana an-dRajaonarimampianina izay narovan’ny HCC, ary iny resy tamin’ny fifidianana iny.

 

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT