Politique

Fitantanana ny firenena Tandindimin-doza tanteraka ny demokrasia


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Ny volana jolay ho avy izao no hamoaka ny vokatra sy anaran`ireo depiote 151 handrafitra ny Antenimieram-pirenena ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).

 

Manodidina ny 99% ny vokatra tonga eny amin`ny CENI ary hita soritra sahady ny maro an`isa na tsy feno aza. Ireo kandidà IRD no mitarika. Hiova ve ny fanaovana politika eny amin`ny Antenimieram-pirenena ? Tsy hisy adihevitra sy mpanohitra intsony izany ato fa hanangana tanana fotsiny ihany hankato ny praograma izay handalo eto. Endrika ho an`ny demokrasia sy fahamarinan-toeran`ny filoham-pirenena ve ny fananan`ny maro an`isa ? Maro ny olona mahatsapa sahady fa mirona tsimoramora any amin`ny fitondrana jadona te hifehy ny zava-drehetra eto Madagasikara. Tiana hofehezina ny resaka serasera sy fampitam-baovao, alamin`ny mpitondra araka izay mahamety azy ny resaka fitsinjaram-pahefana mba hahafahany mametraka ny olony sy mifehy ny faritra rehetra. Efa tsy ampy an`ny filoha Rajoelina intsony ny fahefany maha filoha voafidim-bahoaka azy. Fitondrana mizara (“régime semi-parlementaire”) ny Repoblika IV kanefa dia tiany ho azy samy irery ary hivangongo eo am-pelatanany ny fahefana rehetra. Tsy mahazaka demokrasia ny mpitondra amin'izao fotoana izao ka mila tsindrilentam-pahefana. Tompon’andraikitra amin`ny fampandrosoana moa ny olo-pirenena ka nandray ny andraikiny izay mifanandrify aminy. 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT