Politique

Fitantanana ny firenena Tahaka ny mbola propagandy


  • Alarobia 12 Jona 2019

Tena mafy i Andry Rajoelina amin’ny serasera sy ny famalifaliana vahoaka hanakonana ny tena olana misy sy ireo zavatra manaratsy endrika ny fitondrana.

 

 

Nandeha ny vary mora, izay toa tsy tena nisy fiantraikany tamin’ny rehetra fa nampiasaina kokoa tamin’ny lafiny politika, toy ny tany Amboasary Atsimo fa izay tsy mifidy ny kandidan’ny IRD tsy mahazo. Nipoapoaka kosa ny serasera tamin’izany. Teo ny fitaovana ho an’ny foloalindahy, fiara misitrika any anaty rano, ny tanamasoandro, tetikasa fihariana ho an’ny tanora, mpila ravinahitra any ampita mahazo mifidy, saritany mikasika ny harena ankibon’ny tany azo tamin’ny Frantsay fa hoe mpitondra atokisana, firesahana momba ny « Iles Eparses », fahatongavan’i  Paul Kagame, fanohanana ny Barea, fahazoana ny lalao 52 amin’ny CAN 2019. Tsy dia tena zava-baovao sy tena mipaka amin’ny fiainan’ny Malagasy ireny amin’ny ankapobeny, fa toa efa nisy ihany tany aloha, fa ny fahaizana miserasera no tena zava-dehibe.

 

Adino ny tena olana

 

Adino teo ilay hoe solika tsy maintsy midina, izay mbola adihevitra mandeha, adino tanteraka ny hala-bato tamin’ny fifidianana depiote, ny asan-jiolahy mbola mandeha ihany na hetsehina aza ny vata-miaramila sy ny fitaovana. 27 nidoboka eny Tsiafahy fa namono olona, voatsoka ny mpiasa tsy raikitra (ECD) tsy misy mpiaro, tsy misy mpanontany, hanafatra solika tsy misy antso tolo-barotra ara-panjakana ny orinasa an’ny olona akaiky ny filoha tsy misy taitra, resahina ny politikan’ny fitsitsiana saingy mandany vola any andafy ny filoha sy ny delegasionina tarihiny fa toa adino sy tsy resahina, misoko mangina ny tetika hitrandrahana ny harembe ankibon’ny tany fa tsy araky ny maro.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT