Ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny firenena Malagasy vokatry ny krizy miseho ankehitriny.
Mitamberina ny fomba fitantanana tamin’ny tetezamita. Tezaina amin’ny resaka fanampiana ara-tsosialy ny olona, toy ny fampanantenana menaka 2000Ar/L sy vary 500Ar/Kg izay nentina nakana ny fom-bahoaka, saingy tsy naharitra ary tsy ny daholobe no afaka nisitraka azy. Ankehitriny, fomba fiasa ny fizarazaran-javatra etsy sy eroa, izay tsy ho vahaolana maharitra sy mandava-taona. Kofona tanteraka amin’ny ara-bola sy ara-toekarena anefa ny firenena. Miantehitra tanteraka amin’ny fanampiana avy any ivelany, ka ny karaman’ny mpiasam-panjakana aza tsy voaloa raha tsy misy an’izany, raha halalinina ny fanazavana efa nentin’ny Praiminisitra ny volana aogositra. Azo antoka, fa miha manify kitapom-bola, izay antony goavana mampitotongana ny sandan’ny ariary. Tsy dia misy ola hoenti-manatanteraka ny programan’asany izay miova eny am-pandehanana ny mpitondra, fa kosa miezaka mametraka tandindona sy dian-tànana. Tamin’ny tetezamita, dia namatam-bonona ny tahiry nahatratra 2 miliara dolara tany ho any navelan’ny fanjakana Ravalomanana, izay lojika raha afaka nampiodina ny raharaham-panjakana tsy nisy famatsiana i Andry Rajoelina. Nandeha foana rahateo ny fanampiana amin'ny lafiny mahaolona, saingy ny toekarena nivaralila tanteraka. Banky ropitra ny firenena niala teo ny tetezamita, isan’ny nahakofona ny Fanjakana Rajaonarimampianina nanarina ny potika. Ankehitriny miverina ny fanao, ny volan’ireo Orinasam-panjakana no katsahin’ny mpitondra holoarana, ka ny 20 janoary 2020, ohatra, no nilazan’ny Filoha fa ahavitana « building » 300 isa ny 300 miliara ao amin’ny CNaPS amin’ny fanatanterahana ny Tana-Masoandro. Ny 29 jolay 2019 herintaona mahery anefa izay no nilazan’Atoa Gérard Andriamanohisoa, mpanolontsain’ny Filoha, fa mpamatsy vola 21 no efa vonona. Aiza ny tohiny ? Inona ny tena marina? Tahaka izany ihany koa ny fampahafantarana ny IEM sy ny atrikasa tany Frantsa ny mey 2018. Narantiranty ny ambara fa mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Nolazaina fa efa niomana 4 taona, kanefa toa ny fomba fiasa tetezamita ihany no miverina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.