Politique

Fitantanana ny firenena Maro ireo manampahefana tia manasongadin-tena


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Henjana amin’ny fampalazana tena sy ny kisarisary ivelany ny mpitondra sy ny manampahefana Malagasy.

 Atao daholo izay fomba sy irika rehetra ahafahana mampisongadin-tena mba hitodihan’ny mason’ny olona any amin’ny tena na ilay antsoina hoe: “culte de la personnalité”. Tezaina ho mpankasitraka sy mpihoby be fahatany ny olona sy ny mpanara-dia, ka ahitana betsaka an’io ny tontolon’ny fironana ara-politika. Tonga hatrany amin’ny fanjanahana ara-tsaina mihitsy, ka na efa maro izao aza ny zavatra tsy mety, dia betsaka ny minia jamba. Toa làlan-tsaina novoizina teto rahateo moa ny hoe: “mpanenjika tozoro afara”, ka efa misy zavatra tsy mety ataon’ny mpitondra sy ny manam-pahefana aza, dia toa zary io valy boraingina io no setriny, fa tsy manana finiavana handalina sy hamakafaka intsony hoe: misy mitombina izany kiana sy tsikera izany. Zary miainga avy any ambony ny ohatra amin’io fanasongadinan-tena avo lenta io satria te haneho, fa akaiky ny fiarahamonina, mbola tena mamim-bahoaka. Zary vazivazin’ny olona ny hoe: ny hafa taloha raha mitokana làlana vita tara any amin’ny 10 km farafahakeliny, ary mahatratra an-jatony kilaometatra aza ny ankamaroany, fa amin’izao na rarivato 150m aza mila hanaovana fisehosehoana be, ka ny serasera no manalava azy. Zary lasa fomba fiasan’ny mpikamban’ny governemanta sy ny olona ambony maro io. Ny mason-karenan’ny zavatra na asa hanaovana serasera sy fampalazana tena mety mbola ambany lavitra noho ny fandaniana. Mampiasa serasera mirarakompana, saika manaraka mpaka sary matihanina ny ankamaroany, ka iny sary sy serasera mameno tambajotra no tena zava-dehibe fa tsy ny lanja sy ny fiantraikan’ny asa atao amin’ny fiarahamonina na vondron’olona iantefany. Misy an’izany eto amintsika hoe: minisitra handeha hamita iraka na hanatitra fanampiana dia fiaramanidina manokana no mitondra, minisitra handeha hanatrika famaranana hetsika ara-panatanjahantena dia fiaramanidina manokana miisa 3 no hetsehina,… Tsara ilay serasera sy ny mangarahara ary ny fanehoana fa miasa, fa ratsy kosa rehefa tsy arakarak’ireny ny vokatra. Ny sary mameno ny tambajotra, ny vokatra tsy hita hoe: ahoana sy ahoana marina ?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT