Politique

Fitantanana ny firenena Diso fanantenana amin-dRajoelina ny tanora


  • Zoma 18 Febroary 2022

Maro tamin’ireo tanora izay tafaresaka taminay no naneho ny heviny mikasika ny fitondrana misy amin’izao izay tantanin’ny filoha Andry Rajoelina.

Ireo tetikasa entina hanampiana tanora fotsiny aza dia efa nahakivy azy ireo izay misy sasany tetikasa tsy mipaka mivantana amin’ireo tanora izay tokony ihantefany. Maro ny olanay hoy ireo tanora ny tsy fisian’ny asa nefa ny vidim-piainana miakatra isan’andro. Eo koa ny halafon’ny saram-pianarana eny anivon’ny anjerimanontolo izay tsy miankina amin’ny fanjakana izay sakana tsy hatafitanay hoy hatrany izy ireo. Ny oniversitem-panjakana izay tokony hanampy betsaka tsy afaka mandray intsony nohon’ny hamaroan’ny mpianatra ary misy aza no tsy voaray intsony. Naneho ny heviny koa ireo mpianatra mikasika ny tsy fampian’ny fialam-boly izy ireo toy ny toerana fanaovana fanatanjahatena izay natao manarapenitra nefa handoavam-bola lafo izay sakana hatrany hoan’ny tanona. Vitsy ireo tanora no manana diplaoma nefa nahazo asa . Tsy ny fananganana orinasa anefa no ataon’ny filoha hoy ireo mpianatra izay sendranay fa ny fananganana tetikasa hafa. Ekena hoy izy ireo ny fisian’ny tetikasa fanampiana ny tanora toy ny fizarana tany sy ny omby vavy be ronono ary ny tetikasa fampidramam-bola ataon’ny fanjakana saingy tsy ampy ho anay izany hoy hatrany izy ireo. Fehiny diso fanantenana ny tanora Malagasy tamin’ity fitondrana ity . Sarotra ho azy ireo ny handray anjara amin’ny fifidianana sy hifidy ny mpitondra amin’izao satria fampanantenana pokaty avokoa no azon’izy ireo.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT