Fitantanana ny firenena

> Miroso any amin’ny tetezamita ara-dalŕna


  • Zoma 21 Febroary 2014

Ny tantara tokoa tsy fanadino mba hanitsiana sy hanatsarana ny ho avy. Raha hiverenana kely mantsy ny zava-nitranga teto amin’ny firenena dia nahitana tsikera foana ny fitondrana nitantana niainga avy amin’ny safidim-bahoaka teto Madagasikara.

Ny fitondrana farany voafidim-bahoaka teto amintsika notarihan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ohatra, dia nohenjehina mafy fa sady mpanao didy jadona no mampitovy ny fitantanana firenena amin’ny orinasa naoriny. Tsy vitan’izay fa nolazaina ihany koa fa nanakatom-baravarana tamin’ireo hery velona politika nisy tamin’izany fotoana izany. Nahoraka mihitsy moa fa miainga avy any amin’ny filohan’ny Repoblika ny baiko rehetra izay tsy maintsy tanterahana. Dia tonga teo amin’ny fitondrana ireo mpanongam-panjakana ka nitantana ny tetezamita lavareny izay nahavita fe-potoana ara-dalàna iray. Fantatry ny vahoaka malagasy rehetra ny zava-nisy sy nitranga tao anatin’izay dimy taona latsaka naharetan’ny krizy nampahantra fadiranovana ny mpiray tanindrazana izay. Dia notanterahana indray ilay lazaina fa fifidianana hivoahan’i Madagasikara amin’ny olana ara-politika sy toekarena ary ara-tsosialy. Dia mitsangana tokoa ankehitriny ny fiadidiana ny Repoblika tarihin’ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka sy ny rafitra mpanao lalàna ahitana ireo solombavambahoakan’i Madagasikara mbola nofidiam-bahoaka izay eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena am-bava aloha hatramin’izao. Dingana farany vao vita teo ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena izay hita fa mirona tsikelikely any amin’ny fanidiam-baravarana ataon’ny mpiaradia amin’ny filohan’ny tetezamita izay mety mbola hitohy any amin’ny fanakatonam-baravarana eo anivon’ny fahefana rafitra mpanatanteraka ihany koa raha ny fijerin’ny mpanara-baovao azy satria mbola ny mpanohana ny prezidan’ny tetezamita no manana zo, hono, hanolotra ny praiminisitra hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Ka inona moa izany fa dia miroso any amin’ny fitondrana tetezamita ara-dalàna isika eto Madagasikara, hoy ireo tsy te hivaky loha be loatra.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT