Politique

Fitantanana ny firenena Be loatra ny kitoatoa !


  • Talata 16 Aprily 2019

Matoa voasokajy ao anatin’ny firenena dimy mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ny firenena dia misy zavatra tsy manjary ao, indrindra fa ny fomba fitantanana ny firenena. Mahantra ny 90% mahery amin’ny Malagasy, saingy tsy tokony hohararaotina amin’izany sy hatao tompon-trano mihono satria tsy an’ny mpitondra irery ity firenena ity. Sesilany ny kitoatoa sy ny kimaizimaizina ankehitriny.

 

Ny vary mora 16 tapitrisa dolara, tsy mazava hoe vola inona marina, ary iza no mahazo tombony fa raha ny vahoaka aloha dia tsy mahatsiaro mahazo tombony amin’io. Sa atao fitaovana propagandy amin’ny fifidianana depiote fotsiny io dia tsy hita popoka avy eo ? Vola avy aiza io ? Avy any am-paosin’ny filoha sa miala ao anatin’ny kitapom-bolan’ireo Birao nasionaly momba ny loza voajanahary (BNGRC) na ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) ? Ireo sampandraharaha ireo izay samy vao avy nosoloina ny mpitantana ambony indrindra. Isan’ny tena mahavantana ny fanjakana ankehitriny rahateo ny resaka tetikasa “Vonjy aina”, izay ireny no tena manao azy. Raha io resaka vary io dia 350 hatramin’ny 390 dolara ny iray taonina hividianana ny vary 20 hatramin’ny 25% ny tahan’ny potipoti-bary. Tena izay ve no vidiny miala any anaty kitambom-bola raha vola ao amin’ny BNGRC tokoa no hividianana azy sa ampitomboina hatrany amin’ny 900dolara ny faktiora ka ny fivoizana ny hoe: “mora” rehefa eny amin’ny olona mandeha fa ny mpitondra mahazo tombony ihany ? Tena ilaina ny fanampiana fa ilay fanazarana ny olona hiandry fotsiny sy hangataka no tsy mety. Efa mba nodinihana koa ve ny momba ireo tantsaha mpamboly ? Ny fanapahan-kevitra raisin’ny governemanta hita hoe samy maka ho azy, tsy misy fandrindrana. Esorina aloha ny olona, tsy hita izay solony avy eo, toy ny tale jeneralin’ny CNaPS sy ny fadin-tseranana izay ahiana ho misy tetika fakana volam-panjakana amin’ny fomba mihaja ao anatin’ireo. Misy lazaina fa nesorina hay diso tsipelina fa tsy nesorina indray, ary hita izany amin’ireo fanapahan-kevitra raisina amin’ny filankevitry ny minisitra. Mahamenatra ny kitoatoa tahaka izany. Mimenomenona any anaty minisitera sy sampandraharaham-panjakana any fa misy olona tena hita hoe tsy ampy fahalalana, tsy ampy traikefa no omena toerana atao tompon’andraikitra. Tsy misy fahagagana anefa ny asam-panjakana fa tena mila fahaizana sy traikefa ary mahalala tsara io sehatra io. Ny farany teo dia namoaka fanambarana anaty tambajotra “facebook”. Angaha efa lasa fandefasana asam-panjakana ofisialy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena momba ny fiakanjo lazaina hoe mety sy tsy mety ? Nokianin’ny olona, niala tsiny indray avy eo fa hoe tena tsy nety iny.  Fa angaha sangisangy sy andrakandrana izy ity ? Fa samy manao izay tiany izany fa tsy misy fanaraha-maso ? Tena afa-baraka. Ireo masoivoho sy vahiny miasa eto na manao firesaka ara-diplomatika aza efa mifosa fotsiny ny mpitondra rehefa any anaty fety izy samy izy hoe tena tsy izy kosa ireto. Afa-baraka ny firenena Malagasy. Toa tsy sahy manendry masoivoho maromaro satria tsy mahafeno fepetra ireo olona kasaina hapetraka. Mametraka fepetra ihany koa mantsy ny firenena hiasan’izy ireny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT