Politique

Fitantanana ny CUA Miha mangotraka ny rombo…


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Nangotraka ny fanombohan’ny ho an’ny fivoriana ara-potoanan’ny mpanolontsaina monisipaly eo amin’ny Kaominina Antanarivo Renivohitra (CUA) omaly, izay haharitra 10 andro.

 Nitohy ny fifanenjanana teo amin’ny mpanolontsaina voasokajy ho mpanohitra Rtoa Clémence Raharinirina izay IRK sy ny Ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina. Nitohy ny fanatsikafonan’io mpanolontsaina io ny raharaha SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) mifandray amin’ilay findramana volabe hatrany amin’ny 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale). “SMGD-CUA, niteny ianao fa hividianana ny Easy Park; milaza ianao fa fantatry ny mpanolontsaina ka mba mangataka aho ho an’izay mpanolontsaina sahy milaza fa nentina teto izany 11 miliara Ar izany”, hoy i Clémence Raharinirina. Tsy nisy ny nananga-tànana, ka nanehoan’io mpanolontsaina io, fa dradradradraina ny fangaraharana kanefa atahorana. Notapahan’ny Filohan’ny Filankevitra monisipaly io mpanolontsaina fa tsy azo terena ny mpanolontsaina hananga-tànana. Mbola nampian’i Clémence Raharinirina fa ny 08 desambra 2020 mbola tsy nisy SMGD no efa nandeha tany amin’ny CNaPS nandresy lahatra momba an’io 11 miliara Ar io ny ben’ny tanàna. Notanisain’i Clémence Raharinirina hatrany ny fisian’ny fianakavian’ny ben’ny tanàna ao anatin’ny SMGD. Ianareo milaza fa an’ny CUA ny SMGD kanefa ny fianankavianao. 40% amin’ny volan’ny Parking raofin’ny SMGD, 30% ny volan’ny miditra amin’ny hetra raofin’ny SMGD daholo. Nanamafy ny fitakiana ny fanesorana ny ben’ny tanàna ity mpanolontsaina ity satria be loatra. “Raha te hanongana ny ben’ny tanàna ianao dia torio izy, fa raha ato amin’ny mpanolontsaina dia tsy miongana, mila manohy ny asany izy, izahay mila an’Antananarivo mandroso. Ataoko mazava tsara! Ianao moa efa nikasa hirotsaka fa tsy tafa dia izao mihetsiketsika any ambadika any, mahandrasa tantana mahandrasa 2023”, hoy kosa Rtoa Lalatiana Ravololomanana mpanolontsaina monisipaly, manohana ny ben’ny tanàna. “Rehefa tsy hanala ianao dia ho hitantsika eo fa efa J-8”, hoy i Clémence namaly ny mpanolontsaina IRK izay mpomba ny ben’ny tanàna sy ireo mpanohana azy. Ny Taxi moa no nanome fe-potoana 12 andro hanesorana an’Atoa Naina Andriantsitohaina. Nomarihin’ny mpanolontsaina avy amin’ny Komba Toavina Ralambomahay moa, fa tsy tao voaresaka tao anatin’ny tetibola io raharaha 11 miliara Ar io, raha toa ka naneho kosa ny mpanolontsaina TIM Lilie Rafaralahy, fa tokony hofoanana ny fanomezam-pahefana (délégation de pouvoir) nomena ny ben’ny tanàna hindram-bola, ao anatin’ny fotoana misavorovoro no manao izany, ary ny fanomezam-pahefana manokana raha ny lalàna, dia izay voasoratra ao anatin’ny tetibola, araka ny fanamarihany.


Niaro tena kosa Atoa Naina Andriantsitohaina, nilaza fa ara-dalàna ny findramam-bola, ary nitsongoloka ny mpitantana teo alohany nentina nanamarinany ny tenany, ka nilazany, fa 300 pejy ny dosie eo an-tanany, nandritra ny 4 taona, nisy Royalities, nihoatra ny antsasany noraisin’ny ben’ny tanàna,... Raha resaka fanodinkodinana volam-bahoaka dia jereo aloha ny ao anaty harona, hoy izy. Momba 30% amin’ny vola azoo mena ny SMGD izay miteraka adihevitra be dia hanaovana “sécurisation” satria nisy fampiasam-bola ao, misy fitaovaa,... Tantara mitohy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT