Nigadona omaly tany Le Caire - Egypte hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-21 eo anivon’ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa)
na ny tsena iraisana ho an’ny Faritra Antsinanana sy Atsimon’I Afrika ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, izay mitarika ny delegasiaona Malagasy any an-toerana ahitana ny Minisitry ny varotra sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Fanamafisana ny fahafahana miarina amin'ny alalan'ny fampiasana ny fisokafana ara-ekonomika sy ny fampiasana ny nomerika sy stratejika moa no lohahevitra hodinihana mandritra ity fihaonana an-tampony faha-21 ity. Ny Filoham-pirenena Malagasy no Filohan’ny COMESA taorian’ny fivoriana tany Lusaka Zambie ny Jolay 2018, fony Atoa Hery Rajaonarimampianina no Filoham-pirenena, ka dia nandimby io toerana io avy hatrany I Andry Rajoelina rehefa tonga teo amin’ny fahefana, ary mifarana tanteraka ny fitantanany izany ankehitriny. Hanamarika ity fivoriam-ben'ny COMESA ity noho izany ny fifamindram-pahefana hatao hatao anio 23 novambra 2021 eo amin'ny Filoha Andry Rajoelina izay filoha amperinasan'ny Fivorian'ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ao anatin'ny COMESA, sy ny Filoha Egyptianina Abdel Fattah Al-Sissi, izay handimby azy. Mialohan’izay anefa, dia hanokatra ny fotoana ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Somary mampametra-panotaniana hoe: mba nahay nararaotra sy afaka tena nikatsaka ny tombotsoam-pirenena ve ny Filoha Malagasy tamin’ny maha Filohan’ny COMESA azy sa mba anarana sy voninahitra fotsiny? Hisy kosa ireo Filoham-panjakana izay hanatrika izany amin’ny “viséoconférence” satria nisafidy tsy ho any Egypte noho ny lafiny ara-pahasalamana. Voalaza moa fa hisy ny fihaonana samihafa ataon’ireo delegasionina Malagasy, ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Ny drafitra sy ny politikam-panjakana, izay tsy marin-toerana sy tsy mari-pototra, ary toa mitsingevaeva hatramin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.