Politique

Fitantanana ny AREMA Nihemotra indray i Pierrot ?


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Nangingina indray ny eo anivon’ny antoko Arema taorian’ilay fiantsoana mivantana an’i Pierrot Rajaonarivelo hitantana ny antoko.

Tsy niandry ela koa ny valin-kafatra avy amin’ireo Arema Didier Ratsiraka fa dia tonga masiaka mihitsy. Koa mieritreritra ny rehetra fa nihemotra indray angamba ireo saika hanandratra an’i Pierrot Rajaonarivelo ho filoha, ity farany rahateo somary nangina sy tsy be resaka tato ho ato, ary tsy nahazoam-baovao mihitsy aloha hatramin’ny omaly ny mety ho vokatry ny fihaonana teo aminy sy ny birao mpiara-mitantana ny Arema. Ny profesora Ange Adrianarisoa mitarika ny ankolafy Didier Ratsiraka sady olona itokisan’ny amiraly moa dia efa nilaza tamin’ny herinandro lasa iny fa tsy misy zavatra azo atao ao anatin’ny antoko raha tsy nahazo ny tso-dranon’ny amiraly Ratsiraka ary izy ihany aloha no mandidy manapaka hatramin’izao. Hita ho sakana iray ho an’i Pierrot Rajaonarivelo ihany koa ny nananganany ilay Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, ka hanimba ny sariny eo amin’ny sehatra politika ny hitsimbadihany indray hitantana ny antoko AREMA satria efa nangata-tsodrano ny hiala tao izy. Azo adika ho fitiavan-tseza tsotra izao ny fiverenany hitantana izay antoko izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT