Politique

Fitantanana firenena Voadidina vehivavy ny Filoha


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Voamarina ny resabe nandeha efa hatry ny talata takariva teo momba ny fanendrena ny Minisitry ny tontolo iainana teo aloha Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinina ho Tale Kabinetra sivily eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika.


Nisy mantsy ny filankevitry ny minisitra manokana ny androtr’io talata 05 aprily takariva io, ka nofoanana ny didim-panjakana 2019-1870 tamin’ny 25 septambra 2019 manendry ny Tale kabinetra sivily Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, ka notendrena eo amin’izany toerana izany ny Minisitry ny tontolo iainana teo aloha. Vehivavy fahatelo notendrena ho Tale Kabinetra sivily eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika i Baomiavotse Vahinala Raharinirina taorian’i Stéphanie Delmotte sy Lova Hasinirina Ranoromaro. Nahilika tamin’ny toerany maha Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika kosa Rtoa Soatiana Rajoelisoa, izay nomena io andraikitra io nanomboka ny 02 jona 2021, rehefa nesorina Rtoa Rakotomanga. 10 volana izany no nitazonany io toerana io. Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro izay tale kabinetra sivily teo aloha kosa no nafindra ho Talen’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ary nampitomboina ny andraikiny satria sady mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika. Ity farany izay voalaza fa mpiasa ambony tamin’ny orinasan’ny karana nialohan’ny nanendrena azy ho Tale Kabinetra sivily, ary niova andraikitra sy nomen-dRajoelina fitokisana bebe kokoa izao. Mirona betsaka amin’ny fisafidianana vehivavy hiara-hiasa aminy ny Filoha ankehitriny satria ankoatra azy telo vavy ireo sy ireo teo aloha miisa roa tao amin’ny fiadidian’ny Repoblika, dia vehivavy ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika (SGP) Rtoa Esperance Pelandroy, izay nasolo an’Atoa Valéry Ramonjavelo. Ankoatra an’ireny, ny volana novambra 2021 dia efa nisy ny fanendrena andriambavilanitra maromaro amina toerana ambony eo anivon’ny Fiadiadian’ny Repoblika, toa an-dry Bango Andriamasinoro Talen’ny fandrindrana ny veliranon’ny Filoha ; RatsirahonanaMercedes Tale misahana ny hetsika ataon’ny Repoblika ; Rahaingonjatovo Anne-Muriel, ary manampy azy ireo Rtoa Ratsivalaka Michelle izay nalain’ny Filoha ho Tale ao an-dapa ihany koa. 8/11 eo ireo vehivavy manana andraikitra ambony ao an-dapa, raha ny fanampim-baovao. Tena voadidina veehivavy ny Filohan’ny Repoblika, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa, ary misy aza ny manao vazivazy fa ity no Filoha voalohany voadidina vehivavy tsara tarehy maro. Safidy manokana ve sa antony hafa mihitsy ? Ny vehivavy ve no atokisany kokoa sy mahavita asa tsara kokoa ? Tsara anefa ny manamarika fa toerana tena strajika sy goavana be avokoa ireo toerana nomena ny vehivavy ireo, ka ankoatra ny fahaiza-manao manokana, dia eo ihany koa ny mokon-doha politika sy fitoniana anaty mila ananan’izay miandraika izany.
NAFENIMPENINA ?
Somary nanaitra ihany ny tsy nanaovana tatitra avy hatrany ny filankevitry ny minisitra manokana natao ny talata teo io. Matoa manao izany, dia karazan’ny misy hamehana satria isaky ny alarobia no fotoanan’ny filankevitry ny minisitra eto amin’ny firenena, ary ny alina ihany dia efa mivoaka. Nahoana no nihazakazahana tamin’ny talata teo kanefa niandrasana alarobia efa mody masoandro vao navoaka ofisialy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT