Politique

Fitantanana firenena Valifaty politika no mibahan-toerana


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Mihorohoro ireo mpanao afera manana dosie nandritra ny fitondrana HVM. Tonga amin`ny sy ny harona ny fitondrana TGV.

 

 

 Nisantatra izany i Hugues Ratsiferana ny 03 febroary 2019 ka nampidirina am-ponja vonjimaika any Antanimora, satria voampanga tamina raharaha fanodinkodiana fananam-panjakana no nampiangana azy. Nanaraka azy indray i Mbola Rajoanah, mpandraharaha, izay nosamborina ny 14 febroary 2019 ary nadoboka ihany koa any Tsiafahy. Nogiazana moa ny fananany ary natao lavanty mihitsy taorian` izay. Natao lavanty koa ny fananan` ilay mpandraharaha Claudine Razaimamonjy izay efa nidoboka am-ponja eny Antanimora. Voampanga amin`ny resaka tsy fandoavan-ketra moa ireto mpandraharaha ireto. Ny 03 jona lasa teo, dia naiditra am-ponja i Berija Ravelomanantsoa, isan` ireo lohandohan` ny mpisorona tazana hatramin`ny amin`ny fitarihana ny hetsiky ny mpianatry ny Anjerimanontolo, izay voalaza fa nanaratsy ny fitondrana tamin`ny tambajotra serasera “facebook”. Voaheloka higadra telo taona sy valo volana moa i Berija araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 30 septambra lasa teo. Ankoatra ireo olon` ny HVM ireo anefa dia isan` izay tena mizaka izany valifaty politika izany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Fanakatonanana ny orisana AAA, fanapotehana ireo fotodrafitrasa samihafa toy ny any Toamasina. Lasa valifaty politika no hitantanana firenena. Resaka honohono sy tondro molotra fotsiny no hiteraka fisamborana sy fanagadrana. Natao handravona ny adilahy politika nisy hatramin` izay ny fifidianana filoham-pirenena 2018 mba tsy hiseho intsony ny fifankahalana sy ny valifaty politka. Tsy tokony hifanapotika satria nandetika ny firenena ny fanonganam-panjakana nifandimby natao teto ary mbola eo ireo tsy maty voalavo an-kibo. Tsy vahaolana fifandrafesana sy fifanaratsiana fa mila miombon-kery sy mampiseho firaisankina ny mpanao politika na dia samy manana ny foto-kevitra ijoroany aza.

Marigny A 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT