Politique

Fitantanana Firenena Tsy ny tarehimarika no mampandroso fa ny asa


  • Talata 10 Martsa 2020

Tamin’ity fitondrana ity no betsaka indrindra ireo mpiasam-panjakana voasazy na nalefa any am-ponja. Betsaka indrindra ireo mpitandro filaminana voasazy sy nogadraina.

 

 

Amin’ny endriny iray dia te haneho endrika fampanjakana ny tany tan-dalàna, saingy ny fototry ny fahefana mihitsy no manakona izany, raha jerena amin’ny lafiny politika. Raha ny tena vokatra anefa, dia niiba aloha ny tarehimarika satria faha-158 amin’ny firenena 180 amin’ny resaka kolikoly raha faha-152 tamin’ny taona 2018. Karazana tarehimarika izany efa navoaka izany : Tanamasoandro 1000 Ha, avy eo 350 Ha ? Lasa 100Ha ? Building 50 000 atao ao anatin’ny 5 taona, kianjaben’i Mahamasina amboarina, 77 tapitrisa dolara ny tetibola. Vola hanatanterahana ny PEM (Plan Emergence de Madagascar) 17 miliara dolara. Efa vonona ny 6 miliara dolara amin’ny alalan’ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Sorabola vonona tsy midika hoe efa azo daholo ny vola. Atao 23 fa tsy 22 ny faritra izay tantanin’ny governora. Vao tsy ela ihany koa ny resaka tarehimarika 240 tapitrisa Euros avy amin’ny Frantsay. Mbola misy tarehimarika maro hafa,…. Lasa paradisa kely aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara afaka 5 taona raha tanteraka tokoa ireo, saingy tsy izay aloha no zava-misy hatreto. Tany aloha no efa nandrenesana trano 40 000, simenitra 14 000 ny iray lasaka, menaka 2500Ar,… saingy 11 taona aty aoriana tsy nisy tanteraka. Tena mora ny mampanantena sy mandresy lahatra ny vahoaka fa sarotra ny manatanteraka. Mbola resy lahatra sy mahatoky foana ve ny olona sa efa tsy ampy intsony ny fotoana handinihana sy hamakafakana ny zava-misy ka toa manaiky tsy sazoka sy mino hatrany ny fampanantenan’ny mpanao politika?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT