“Raha mbola ho tsaingotsaingoina ny fitantanana firenena dia tsy ho tanteraka ny fampantenaina. Lasa mandrebireby sy manadala saim-bahoaka fotsiny” hoy Fetra Ralambozafimbololona,
depiote voafidy tao amin`ny boriborintany fahadimy. Tsy miova mihitsy nefa efa teo amin` ny fitondrana Tetezamita ny filoham-pirenena. Izany hoe efa manana traikefa. Misy no tokony ahitsy satria misy ny traikefa hananana, hoy ihany izy. Notsipihany manokana fa mbola ao foana ny valifaty politika amin`izao raha nanontaniana ny fanafoanana ny hetsika tany Mahajanga. “Raha tany Toamasina ny TIM dia navela nanao hetsika. Marihana fa ny vondrona niarahanay no nangataka fa atao ao magro ny hetsika ka nanaiky ny teo anivon`ny antoko. Nanakana avy hatrany ny fitondrana raha nakany Mahajanga, hany ka nofoanana ny hetsika. Tamin`ny oviana ny TIM no nikarakara hetsika ka nisy korontana? Avereno aminay? Mba tanisao? Taiza sy oviana? Tamin`ny 2009 aza, dia tena vahoaka nilamina no niatrika ny krizy. Izahay parlemantera no manana adidy mampahafantatra ny vahoaka ny zava-misy ary ny mpanohitra no nanaraka anay. Marihana fa tafiditra ao amin`ny fanomezana aina vao ho an`ny TIM izany.” Nambarany hatrany fa mbola ho avy ny fotoana ho mpanahotra ianareo dia hanenenanareo ny zavatra ataonareo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.