Politique

Fitantanana firenena Krizy tsy voavaha, ny hetra tangosana…


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Namoaka fanambarana ny teo anivon` ny foibem-pitantana ankapobeany ny hetra (DGI) fa manomboka izao dia miverina amin` ny laoniny ny asa eo amin` ny fandraharahana momba ny hetra.

 

 

 

Izany dia mahakasika indrindra ny fisavàna ara-ketra sy ireo famorian-ketra, izay nihato teo aloha, araka ireo fepetra noraisin` ny fanjakana ho fanohanana ireo orinasa manolona ny hamehana ara-pahasalamana. Efa misy fandaminana vaovao ny fomba fanatanterahana ireo asa ireo tamin`ny taona lasa, ka ny tanjona taminn` izany dia ny mba hanamafisana ny fangaharahana sy ny matihanina, hoy ihany ny DGI. Ny fiverenana tsikelikelin` ireo asa mahazatra eo amin` ny fandraharahana momba ny hetra tokoa dia vato fehizoron` ny rafitra ara-ketra mahomby azo itokisana ary marina ; ary manamafy hatrany ny finiavana hametraka ny fitoviana manokana ny hetra, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nomarihany fa izao fiverenana izao dia hatao anisan` ny fanajana tanteraka ireo fepetra takiana manoloana ny hamehana ara-pahasalamana ary ireo mety ho fahasarotana atrehan` ireo sehat`asa tsirairay avy naterak` izany hamehana ara-pahasalamana izay. Marihana fa ny fanohanana nataon` ny fitondram-panjakana ho an` ny sehatra tsy miankina nandritra ny ady tamin` ny COVID-19 dia ny fanalefahana ara-ketra. Hatreto anefa dia mbola baraingo ny fivoahan` I Madagasikara ao anatin` izao krizy ara-pahasalamana izao ary mbola miteraka voka-dratsy goavana amin` ny lafiny fihariana. Maro ireo orinasa tsy tafarina saingy manomboka izao dia hitango hetra amin` izay ny fanjakana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT