Politique

Fitantanana firenena Henjana ny hanentsina ny kizon-dRajoelina


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Eo ny zava-misy ara-toekarena sy sosialy, fa mifanindran-dàlana aminy hatrany ny resaka politika. Iaraha-mahita ny zava-misy sy miseho ankehitriny, mitotongana ambony ambany ny firenena,

miha mahantra fadiranovana ny vahoaka, tsy hita soritra intsony ny sokajin’olona manana fari-piainana antonony fa miha sahirana tanteraka. Mihazakazaka ho rambony amin’ny fahantrana isika, araka ny fanasokajian’ny sehatra iraisam-pirenena. Maneho an-tsary sy ara-tserasera ny Fanjakana Rajoelina fa miasa sy manao zavatra, manatanteraka tetika, saingy tsy tena mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankampobeny. Ny fisian’ny olona iraisam-pirenena sy ato anatiny tahaka izao no tena hitarafana ny fahaiza-manao ny Fanjakana iray. Kofona anefa ity fitondrana Rajoelina ity, tsy tena manam-bahaolana. Mitaiza ny vahoaka amin’ny hoe: tsy vita roa na telo na telo taona ny fampandrosoana, kanefa ny vava be natao tany amin’ny propagady dia ny hoe: “izay tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona dia hataoko ao anatin’ny 5 taona”. Miova ny fomba firesaka fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratina in’efatra eo vao handroso ny firenena. Lasa mpanome lesona momba ny demokrasia ny lehiben’ny fandrombaham-pahefana amboletra tamin’ny 2009 rehefa eo amin’ny toerana. Tsy miantso ary tsy maniry ny hiverenan’ny tahaka ireny isika, saingy tsy tokony hialokalofana amin’ny tsy fahombiazana ny fivoizana fifandimbiasam-pahefana ara-dalàna. Samy miandry fifidianana ny rehetra, ary miharihary fa fahagagana sy hala-bato no mety hahalany ny Filoha ankehitriny indray. Isaky ny mandray fahefana Atoa Andry Rajoelina, milentika hatrany i Madagasikara. Samy niainga tao anaty krizy, nanarina krizy ny olona nodimbiasany, raha toa ka nambatam-bonona koa izy. Krizy enim-bolana no novantanin-dRavalomanana ny 2022, fa tafiakatra 7,1% ny tahan’ny fisondrotry ny harin-karena nialohan’ny fanonganam-panjakana na krizy goavana aza naneran-tany ny 2008. Nivarina tanteraka tao anatain’ny tetezamita 5 taona. Nanarina lavaka sy namerina ny fitokisana iraisam-pirenena I Hery Rajaonarimpianina, nahavita nampiakatra harin-karena 5,4% na nohozongozonina lava aza. Tonga indray Atoa Rajoelina dia izao ny vokany, ahilika any amin’ny krizy iraisam-pirenena ny olana, saingy miharo tsy fahaiza-mitantana manara-penitra. Handimby izay hisolo ny volomboasary eo, ary henjana ny miandry azy.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT