Politique

Fitantanana firenena Azo atao tsara ny tsy “miwerawera”


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Ny soa fianatra, ary azo atao tsara ny maka tahaka ny ataon’ny olona. Raha mijery sy mampitaha ny sary tamin’ny fanamarihana ny fetim-pirenna Frantsay farany teo, ny 14 jolay 2020,

hita taratra ny endrika tsotra nentin’ny Fanjakana notarihin’ny Filohany Emmauel Macron mivady izany. Ny Filoha mivady miaraka amin’ny mpiara-miasa, endrika tsotsotra, seza tsy dia raitra,… kanefa mihaja. Midika io fa tsy voatery hanaovana seho ivelany goavana be, handaniam-bola tsy toko tsy forohana, fa azo atao ny manamarika azy amin’ny fihetsika tsotra sy mihaja, tsy arakaraka ny maha firenena isan’ny matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany azy. Ny antsika, handaniana vola tsy toko tsy forohana, hanaovana sehoseho hisintonana vahoaka, hampisehoana ny lamaodin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Haingon-tsehatra mirarakopana handaniam-bola be, artista maro hisintonana ny mpanotrona, antsapaka amin’ny alalan’ny Tombola,… Ny antsika arakaraka ny maha miha mahantra ny vahoaka sy mampikorosy fahana firenena no toa vao mainka mampitombo ny sehoseho ivelany. Indraindray toa mitady ho lasa haingo ambony tsikoko, ary raha atao ny fampitahana dia tonga amin’ilay hoe: ny tapany ihany no mihontsana. Tsy sanatria natao hitsikerena be fahatany, fa rehefa mampitaha zavatra tsy mitovy tahaka ny hoe: ny vidin-tsolika any Frantsa aza 2euros isika, dia mila alain-tahaka ihany koa ny fihetsika sy fomba fiasa tsara asehony satria ny soa fianatra. Tsy miteny velively hoe: aza homena hasiny sy hajany ny fetim-pirenena fa mba mila jerena ihany hoe: sao mba any amin’ny zavatra tena mahasoa kokoa ny vahoaka no hanontonana volabe?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT