Na dia mihazakaza amin`ny fampandrosoana sy amin`ny fandaminana anatin`ny firenena mba hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka isika amin`izao dia manome endrika ratsy ho an`i Madagasikara ny
fikorontanana ara-politika eto amintsika. Na eo aza ireny fanambarana manaporofo ny tsy fahamarin-toerana ny fitondram-panjakana, ireny fanamarihana maro ataon`ny mpanohitra dia ireo fanapahan-kevitra raisin`ny fanjakana toy ny valifaty politika, fifanarahana tsy mazava… no vao mainka mandentika azy. Mihazakazaka any amin`ny fanovana lalàmpanorenana indray ny mpitondra. Hanova izany isaky ny hiova filoha izany isika. Midika ho tsy fahamatoran`izany. Jereo anefa Etazonia, an-jato taona maro ny lalàmpanorenana. Amin`izao fotoana izao, tsy misy mpamatsy vola vonona hiara-kiasa amin`ny fitondrana. Tsy ny tontolo politika loatra no olana fa ny fomba fiasan`ny fitondrana mihitsy. Mila vina matipaika sy fandaharan`asa mirindra sy mahazo fankatoavan`ny vahoaka ny firenena fa tsy manao zavatra hafa tahaka ny mpitondra amin`izao fotoana izao, nampanantena ny vahoaka hanafoana ny delestazy, tsy hivarotra tanindrazana kanefa ny atao ihany no atao. Na efa taona iray mahery aty aoriana vao mamoaka ny PEM, tsy nifampierana tamin`ny vahoaka ary mifampiraharaha amin`ny mpamatsy vola nefa tsy misy tohiny. Tsy misy ifandraisany amin`ny fampanantenan`ny filoham-pirenena tamin`ny vahoaka tany am-piandohana intsony amin`izao. Tsy ilaina ny filoha tsy manana olona nefa hitondra firenena. Mila atsahatra amin`izay ity filoham-pirenena tonga tampoka eo amin`ny fitondrana mba tsy hiverenan`ny tahaka izao manjo ny firenena izao intsony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.