Politique

Fitantanana an’i Madagasikara Didin’ny be sandry no manjaka


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Manao izay tiany ny filoha sy ny ekipany ary tena be vava amin’ireo manakiana. Torio rehefa tsy faly, hoy ny sasany.

 

 

Mibaribary fa manao propagandy Rajoelina na dia efa mazava tsara aza ny ambaran’ny lalàna fehizoro 2018-008 momba ny fepetra ankapobeny hitantanana ny fifidianana eto Madagasikara. Ao amin’ny And 60 sy 61 dia maneho fa tsy mahazo mitanila, tsy mitokana zava-bita ny mpiasam-panjakana sivily sy miaramila. Tsy te hahalala an’izany Rajoelina fa dia mitety faritany mihitsy ary mampijoro ireo kandidan’ny IRD miaraka aminy eo. Anontaniana ny CENI manao valy boraingina. Raha hatao ny fitoriana, sao dia tahaka ny tamin’ny fifidianana filoha indray ny valiny eny amin’ny HCC izay mandidy araka ny rivotra politika fa tsy araka ny didy aman-dalàna irery ihany. I Madagasikara dia tsy mandroso fa mihemotra. Miaina amin’ny vola latsaky ny 2 dolara isan’andro ny 90%-n’ny mponina. Ao anatin’ireo firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany. Ny harinkarena faobe na PIB dia 450 dolara isaky ny mponina. Misy harena eto fa ny goavana no mahazo tombony, tsy araka ny tokony ho izy ny fitsinjarana ny harena. Ny fahafantarana io harena be ambony sy ambanin’ny tany io no mahamaika ny ankamaroan’ny olona hiroboka amin’ny politika sy hiditra anaty fanjakana. Misy efa mamoaka vava mihitsy ireo mpiara-dia amin-dRajoelina hoe izahay aloha izao no eto ka aza be menomenona ary ny “mpanenjika toujours afara”… Tena didin’ny be sandry mampatsiahy ny tetezamita ary efa azo vinaniana ny ho tohiny fa dia handatsaka an-davaka ny firenena ary hampizarazara ny Malagasy. Mampiana-dratsy ny fiarahamonina. Ekena fa mety misy ny zavatra tsara asehon’ny filoha, fa takon’ny fihetsiny sy ny kazarana fandikan-dalàna ataony. Tsara kokoa ho an’ny filoha ny manatsara ny taham-pankafizan’ny vahoaka azy satria raha ny antontan’isa no jerena dia ny ampahefatry ny mpividy voasoratra anarana no nifidy azy tamin’ny fifidianana filoha. Tsy marin-toerana ny fandreseny fa ny mpifanandrina no naneho fandeferana. Tsy atao mahagaga ny fihetsiny amin’izao fifidianana depiote izao satria miezaka manamafy orina ny fahefana tsy marin-toerana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT