Politique

Fitantanana an’arivony miliara tsy mazava Hotsikafonin’ny depiote ny fitondrana Rajoelina


  • Alarobia 04 Mey 2022

Ho avy amin’ny angady sy ny harona hitsingoloka sy hanatsikafona ny fitantanana tsy mazavan’ny Fanjakana Rajoelina ny volan’ny coronavirus ny Depiote.

Hanao fanadihadiana na “Enquête parlementaire” mikasika izany ny solombavambahoaka izay mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteeraka, raha ny loharanom-baovao azo antoka. Ny depiote Narson Rafidimanana voafidy tao Antanifotsy Vakinankaratra tamin’ny anaran’ny tsy miankina no voalaza fa mitarika an’io Vaomiera io ary ahitana depiote mpikambana 10, misy IRD, TIM, ary tsy miankina. Efa tafapetraka tao amin'ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny hanaovana io fanadihadiana io, tamin’ny 7 febroary 2022, izany hoe folo andro talohan'ny namoahan'ny Fitsarana misahana ny Kaonty na ny “Cour des Comptes” ny tatitra andiany voalohany nataony ny 17 febroary. Tsiahivina fa volabe hatrany 444 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar eo no nanaovan’ny Fitsarana tatitra. Misy tsy mazava ny fitantanana, toa nohararaotina ny resaka hamehana: tsena’asam-panjakana tsy milamina, fandaniam-bola tsy mazava, famoaham-bola mampiahiahy sy tsy manara-dalàna, pitsopitsony sy porofo tsy maharesy lahatra,… Isan’ireny ny resaka fividianana fitaovana ara-pitsaboana sy kojakojana laboratoara nisy tsenan’asa 11 nitentina 7 132 050 418,66Ar izay faktiora voasokajy ho tsy ara-dalàna no nampiasaina, ny famatsiana ravina Artemisia annua maina sy Stevia maina izay azon’ny Bionexx ny tsenan’asa misy resa-bola tsy mazava loatra 2 186 445 492 Ar na 580 600 dolara. An-jatony tapitrisa nolazaina fa nomena ny mpitarika posy tany Toamasina, saingy tsy voazava ny fomba nizarana azy. 20 miliara Ar eo ny fandaniana amin’ny anaran’ny CCO (Centre de Commandement Opérationnel) misy pitsopitsony tsy mazava. 74,91% tamin’ny vola nandritra ny fiatrehana ny coronavirus moa no tamin’ny anaran’ny Minisiteran’ny vola ny fandaniana, ary 7,63% kosa tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fahasalamana.
HATRAMIN’NY IRD AZA MIAHIAHY
Hiditra lalina amin'ny tena nandefasana vola nivoaka tao amin'ny Ministeran'ny vola ireo depiote ao anatin'ity fanadihadiana parlemantera ity io ary ahiana ho lasa lavitra ny raharaha. Hatramin'ny IRD izany miahiahy ny fomba nitantanana ny volan'ny coronavirus, raha ny firafitry ny vaomiera. Ny mpamatsy vola moa miandry tatitra mazava hatrany, ary mitaky ny mangaraharaha, Fanjakana tsara tantana,… Hanaratsy endrika ny Fanjakana sy ny governemanta hatrany ireny, ary mety hamaritra ny ho avy politika hanasazian’ny vahoaka ny Fanjakana ankehitriny amin’ny fifidianana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT