Mitana ny sain’ny maro sy miteraka adihevitra tsy hifankahitana ny karazana fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra firenena eto amintsika. Misongadina eto Antananarivo Renivohitra,
ary zary lasa anaovan’ny olona sarisary zary tenany ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina. Isan’ny anton’izany ilay resa-ketra, voalaza fa nampidirina tao anatin’ny tetibolan’ny kaominina, saingy nitondra fanintsiana ny ben’ny tanàna. Nolazaina fa efa tamin’ny 2019 izany fa tsy nampiharina, saingy nohitsian’ireo mpanolontsaina, fa vao izao. Mety manana ny vinany sy ny eritreriny ny ben’ny tanàna, te hampiseho fa mampanara-dalàna, manenjana sy mitsitsy ary mandrangaranga fahefana,… Eo amin’ny resaka hetra, ohatra, dia marina tokoa fa fanao any ivelany ireny endrika hetra ireny, indrindra fa any amin’ny tany mandroso. Mifanaraka amin’ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara na eto Antananarivo ve anefa ? Mpandraharaha, mpanefoefo, tompona orinasa ny ben’ny tanàna ankehitriny. Mety mifototra kokoa amin’ny fijery teknika, fa tsy mahita firy ny lafiny sosialy sy ny resaka politika. Tsy fanakihanana be fahatany, fa tsy tena hita firy rahateo teo amin’ny sehatra politika, ary tamin’ireny fifidianana ben’ny vao tena nidina ifotony sy nijery ny fiainan’Antananarivo. Hafa mihitsy ny fomba fijerina mpandraharaha sy mpampiasa mahazo fahefana, indrindra fa tsy tena niaina ny niainan’ny besinimaro, tsy niainga tany amin’ny madinika vao tonga vaventy. Mila jerena akaiky sy halalinina io, mba tsy hiteraka fifanoherana tsy hifankahitana eo amin’ny mpitondra sy entina, ary tsy hahomby velively ny letrezana. Mety ho lesoka tsy eto Antananarivo ihany io, fa eto amin'ny firenena mihitsy rehefa mifangaro ny fandraharahana sy ny fakana fahefana ara-politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.