Politique

Fitantanan-dRajoelina Potika avokoa ireo orinasam-panjakana


  • Alarobia 15 Jona 2022

Lesoka tany aloha ny resaka “privatisation” na fanomezana sy famarotana ho an’ny tsy miankina ny orinasam-panjakana. Ankehitriny, misy ihany ny fivoizana an’io,

toa tetika hibakoana hahazoana mora ny orinasam-panjakana. Sanatria toa iniana potehina sy akorontana na robaina mba hahazoana azy mora. Io iaraha-mahita io, ohatra, ny Air Madagascar izay potika sy rava ary raikitra ny fifanomezan-tsiny sy fifanamelohana eo amin’ny samy tompon’andraikitra ambony. Ny Minisitry ny fitaterana, ohatra, dia sahy nilaza mihitsy fa nisy ny tetika hividianana mora ny Kaompania Nasionaly, ary nilaza fa hamongotra ny tontakely. Ny andaniny dia ny filoha lefitry ny filankevi-pitantanana mampahatsiahy sy miapanga fa ny minisitra ankehitriny fony izy teo amin’io toerana io tany amin’ny tetezamita no nanafaingana ny fahapotehan’ny kaompania, raha tsy hilaza afatsy ireo fiaramanidina maty kapoka tamin’izany. Mifanilikilika sy mifandrahona eo ka dia asa izay hiafaran’ny raharaha Ranjatoelina sy Rakotomanga izay samy mirehareha ho akaiky ny Filoham-pirenena. Io ihany koa CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) izay toa rovitina ny kitapom-bolany, tsiriritina ny vola ao aminy ka ny mpitondra nilaza fa niomana 5 taona sy nilaza tamin’ny mpifidy fa efa vonona ny mpamatsy vola aza moa ny volan’ny CNaPS no lazaina fa azo alaina fa hanaovana “Building”. Toa samy maka ao izay mihevi-tena fa manana ny fahefana tsy refesi-mandidy. Tonga hatramin’ny hoe ben’ny tanàna sy ny kaominina tonga mindrana 11 miliara amin’ny CNaPS, izao ny volan’ny mpiasa latsakemboka hanomanana ny fisotroan-dronona ao ihany no tadiavin’ny Fanjakana halefa any amin’ny fampisondrotan-karama ka lazainy fa izy no hameno azy avy eo. Tena azo inoana sy azo antoka ho tanteraka ve Ny Jirama moa io, dia tena mampalahelo, mitolefika tanteraka. Sanatria toa iniana sahiranina sy potehina ve mba hividianana azy mora ihany koa avy eo Efa hatrany amin’ny tetezamita no nafana ny dosie maloto mikasika mpitantana, toy ny resaka milina efa maty kapoka,… Izay orinasam-panjakana misimisy vola toa tiana halaina sy hononoana hakana vola hatrany, hany ka miha mikorosy fahana sy tena vizana ny ankamaroany.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT