Politique

Fitantanan-draharaham-panjakana Governora 5 mety hoesorina ?


  • Talata 07 Septambra 2021

Governora 5 amin’ny 20 efa notendrena no tsy maintsy hoesorina, raha ny famakafakana nataon’ny fampahalalam-baovao iray.

 Ny asa nandritra ny 2 taona no handrefesana izany, ary voalaza fa hanaovana tombana toa ireo mpikamban’ny governemanta. Efa nampitandrina azy ireo ny Filoha ny fiandohan’ny volana aogositra momba ny fanamby tsy maintsy tanterahin’ireo governora. Misy mantsy no voalaza fa tsy manao ny asany, ary tsy mahatanteraka ny tanjona asaina tratrariny. 2 miliara isan-taona, hoentina manamboatra làlana, efa nofaritana fa 250km isan-taona no vitaina, tsy maintsy tsinjaraina isaky ny governora. Ankoatra ny asa, dia isan’ny tombanana ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana eny ifotony sy ny sehatra politika, izay azo adika fa ny fahaizana mametrapetraka ny kajikajy hampiakatra ny taham-panohanana ny fitondrana hiomanana amin’ny fifidianana. Hatreto, toerana governora 3 no mbola banga, dia ny an’ny Faritra Anôsy izay notendrena ho minisitry ny asa vaventy, ny an’I Vatovavy izay napetraka ho faritra faha-23, ary ny 9 aogositra 2021 teo no nosoniavin’ny Filoha ny didim-panjakana momba izany narahina lanonana. Mbola tsy notendrena kosa ny governoran’I Betsiboka roa taona aty aorian’ny nanendrena ireo andiany voalohany. Tsy mahataitra sy tsy maharototra ny fitondrana, izay ahiana ho antsojay politika satria tamin’ny fifidianana Filoha fihodinana faharoa ny taona 2018 dia zara raha nanome 0,74% tamin’ny vato 2,5 tapitrisa mahery teo izay azon-dRajoelina ity faritra ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT