Politique

Fitakiana ny Nosy Eparsa Hanao ankivy an’i Lafrantsa ny Afrikanina ?


  • Zoma 15 Mey 2020

Naneho fahasahina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nilaza fa famerenana ny Nosy Malagasy no takiana fa tsy fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay. “Tsy misy hahasakana anay”,

 

hoy izy ny 11 mey lasa teo. Mila velesina ny vy dieny mbola mamay, ary rehefa tsy azo amin'izao fahasahiranana maneran-tany izao dia mety ho sarotra ny fandehan-javatra. Ady ara-diplomatika, stratejika, jeopolitika, politika anefa io, fa tsy vitan’ny kabary ambony latabatra. Iny efa hita efa niaraha-naheno iny ny valin-kafatra avy amin’ny Frantsay, izay nanao fakan-kevitra nasionaly avy hatrany hatramin’ny 2 jona ny hamadihany ho tahirim-pirenana voajanahary ny Nosy Glorieuses. Tsy ho vitantsika irery ny ady. Efa hita taratra aloha io ny firaisam-peo Afrikanina amin’ny resaka tambavy na tsy ny rehetra aza no resy lahatra. Manomboka hita ho manangam-bovona amin’ny tandrefana ny Afrikanina, izay tokony hararaotina ny fieraha-mientana. Ho hafahafa ihany no hahazo an’I Lafrantsa, raha hijoro hitsipaka azy sy hanao ankivy aminy ny Afrikanina. Mila mampiombona sy mampiray feo ny Malagasy anefa ny Filoha mialohan’izany rehetra izany. Mila manetsika ireo rafitra maro misy antsika, toy ny SADC, CEDEAO, Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana,… Efa vita ny kabary ambony latabatra fa asa sy vokatra izao no andrasana satria fampanantenana natao tamin’ny vahoaka rahateo ny hivoahana fehin-kevitra hatramin’ny 26 jona.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT