Politique

Fitakiana ny « Iles Eparses » Mila hitarina ny vina


  • Talata 30 Jona 2020

“Matoa manohana an` i Madagasikara ny vondrona SADC dia misy firaisan-tsaina eo amin` ny samy Malagasy” hoy Ndremitsara Tarzan, mpahay toekarena.

 

 

 

Araka ny nambarany dia zava-dehibe izany fanohanana izany satria tsy mijanona amin` ny fanohanana ara-barotra intsony ny SADC fa mijery ihany koa ny zon` ny olombelona (droit humain) noho ny fifanolanana eo amin` i Madagasikara sy Frantsa. Miandrandra fanarahana akaiky avy amin` ny SADC ireo dingana sy antanan-tohatra mankany amin` ny Vondrona Afrikanina ity mpahay toekarena ity. « Ny fampiakarana ny raharaha eny anivon` ny Vondrona Afrikanina dia ahafahantsika manana ny atao hoe « tribunal compétent » ». Namafisiny ihany koa fa matoa misy izao fanohanana izao dia misy ny finiavana politika avy amin` ny Malagasy. Madagasikara rahateo dia mivonona hanefa izay adidy amin` ny SADC na dia misy aza ny aretina COVID-19. Manao antso avo amin` ny Malagasy rehetra mba hanohy izay firaisan-tsaina izay ary miantso koa ireo hery velona rehetra mba hiray rehefa Madagasikara no resahina. Etsy ankilany, mila hitarina koa ny vina rehefa nosy no resahina, hoy izy. “Rehefa ekena ny fehin-kevitra (resolution) dia tokony mandray ny lalàna mifandraika amin` izany isika toy ny famoahana didim-panjakana izay mampiditra ny nosy Malagasy toy ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana taona 2014”.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT