Politique

Fitakiana ny « Iles Eparses » Manohana an’i Madagasikara ny SADC


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Nanatanteraka fivoriana tamin’ny alalan’ny Vidéocoférence ny Filankevitry ny minisitra eo anivon’ny rafi-piaraha-miasa ara-politika, ara-piarovana sy filaminana na ny CMO eo anivon’ny vondrona SADC ny 25 sy ny 26 jona 2020 lasa teo.

 

 

 

Nisolo tena ny Malagasy tamin’io ny Minisitry ny raharaham-bahiny Tehindrazanarivelo Djacob Liva, Solontena avy amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, avy amin’ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Bianco, ny CIS. Isan’ny fehin-kevitra nivoaka tao anatin’io ny fanohanan’ny SADC tsy misy fepetra an’i Madagasikara amin’ny fitakiantsika ny famerenana ireo Nosy ireo. Mitaky ny fampiharana ny fehin-kevitry ny minisitra tao anatin’ny OUA (Organisation de l’Unité Africaine) sy ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny SADC. Ny 20 jolay 1979 raha tsiahivina no nivoaka ny fehin-kevitra na ny « Résolution 732 (XXXIII)” nandritra ny fivoriana ara-potoana faha-33 teo anivon’ny OUA izay nanambarana fa ny Nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa et Bassas da India dia ao anatin’ny tanin’ny Repoblika Demokratikan’i Madagasikara. Nanamafy an’io ny Firenena Mikambana ny 12 desambra 1979 tamin’ny fanambarana fa mila miresaka sy mamerina amin’i Madagasikara ireo Nosy ny Frantsay. Fampanantenan’ny Filoha Rajoelina ny hivoahan’ny fehin-kevitra nialohan’ny 26 jona teo ; ny 11 mey no nanao valan-dresaka tamin’ny haino aman-jery Frantsay izy fa famerenana fa tsy fiaraha-mitantana no takiana. Tsy mbola notaterahin’ny mpitondra kosa ny soso-kevitra amin’ny hamoahana didim-panjakana fa ao anatin’ny fari-piadidian’i Madagasikara ireo ireo Nosy, raha toa ka efa nampanao tsapan-kevitra ny hamadihana ny Nosy Glorieuses ho tahiry ara-boajanahary ireo Nosy ny Frantsay. Resaka aloha izany antsika no betsaka fa ny asa mbola tsy tena azo tsapain-tànana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT