Politique

Fitakiana ny fivoahan'i Pety Rakotoniaina Misy tambazotra miafina manohitra azy…


  • Talata 30 Aprily 2019

Nanao fanambarana manokana mikasika ny fitakiana ny famoahana an'i Pety Rakotoniaina Atoa Razafisambatra Louis De Mon Désir, tera-tany malagasy, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversite Sorbonne, any Paris.

 

 

 

 Nambarany tamin'izany fa misy tambazotra miafina eto Madagasikara ary manohitra ny hamoahana an’i Pety Rakotonirina ny fonja. Efa hatramin’izay io vondron-kery politika sy ekonomika miafina io no miaro ny tombontsoany manokana amin’ny alalan’ny fisarihana ny mpitondra fanjakana nifanesy handray fepetra mifanohitra amin’ny maha-olombelona hoy ny fanambarany ary matetika miaro hafetsena sy fitaka izany..Anisan'ny ohatra vitsivitsy nentiny nanamarinana io fihetsika mahamenatra io. Atoa Régis hoy izy dia mpanao politika to-teny tamin’ny taona 1980, avy eny Ambohimanarina ary mpiasam-panjakana tao amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony. Voatery nanao sorona ny asany izy satria 6 tapitrisa monja ny fanampiana nomena ny firaisam-pokontany tamin’ny vanim-potoanan’ny Repoblika faha-II. Niaka-peo ny profesora Rabetsitonta mba hampiakarana izany ho 60 tapitrisa Ar ny vola omena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Efa nanamafy tamin’ny alalan’ny hevitra mafonja ny hahafahana manome 180 tapitrisa Ar isaky ny Fivondronana ity mpampianatra eny ambaratonga ambony momba ny toe-karena ity saingy io vondrona miafina io hoy izy no nanome ny teny farany fa tsy azo raisina ny fitarainan’ity minisitra teo aloha avy any Amboasary Atsimo ity....Nitohy tamin’ny fampidirana an’i Pety Rakotonirina tany am-ponja izany hoy izy nitaky ny hisian’ny ady hevitra mialohan' ny hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ity farany. Mbola fanapahan-kevitra ara-politika koa hoy izy ny fanagadrana ny mpitsara teo aloha tao Fianarantsoa Renivohitra. Nampihomehy ny mpahay lalàna ny sazy nihatra taminy satria olona nanohintohina ny fiandrianam-pirenena dia iray taona monja no sazy azony. Miantso ny vahoaka Malagasy mba ho mailo araka izany ity tera-tany Malagasy monina any ivelany ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT