Politique

Fitakiana ny fialan’ny Filoha Tafapetraka ny fitorian’ny « Gasy Leo »


  • Zoma 29 Jolay 2022

Tonga nilanja sora-baventy sady nanatitra taratasy fitoriana, mitaky ny fialan’ny filoham-pirenena tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Ambohidahy ny Gasy Leo tarihin-dry Razafimamy

Christian na Rahckiky omaly maraina. Antony miisa 10 no nandraketran’izy ireo izany, ary pejy valo ny fitoriana natao. “Leo tsy fahombiazan’ny mpitondra sy ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana. Mijaly, noana ny vahoaka, hany ka leo. Tsy hisora-tena ho solontenam-bahoaka, fa kosa arifanona amin’ny mety ho adilahy politika,…”, hoy ny Gasy Leo. Nilaza izy ireo fa ara-panjakana ny fikambanana rehetra mandrafitra ny Gasy Leo, izay miisa 72 eo. Tsy maintsy hanao tatitra amin’ny vahoaka amin’ny toerana mifefy amin’ny fotoana hivoahan’ny valin’ny fitoriana izy ireo, izay manantena fa tokony ho ao anatin’ny herinandro no hivoaka ny valiny. Aoka hohalalinina tsara mba hitombina fa tsy hoe: azo raisina fa tsy mitombina, hoy ny hafatry ny Gasy Leo miantefa amin’ny HCC. Andrasana ny tohiny!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT