Politique

Fitakian’ny mpanohitra Tsy misy dikany amin’i Marson Evariste


  • Alakamisy 02 Desambra 2010


Nanamafy Atoa Marson Evariste mpikambana ao amin’ny CST fa rariny loatra raha mihaona amin’ny mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana eny Anosikely ity ny iraka manokan’ny SADC satria lalana tsy maintsy lalovana amin’ny famahana ny krizy izany. Araka ny fanazavany mantsy dia efa nihaona tamin’ny mpikambana tao amin’ny FAT teo aloha izay efa nosoloin’ny CST amin’izao fotoana ny iraky ny SADC ka tsy tokony ho olana intsony ny fihaonan’izy ireo amin’ireo olom-boatendry eny amin’ny lapan’Anosikely. Nambaran’ity mpanao politika manohana ny FAT misy amin’izao fotoana ity ihany fa raha misy ireo fikambanana iraisam-pirenena mijery sy mandinika ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana dia tokony hifandinika amin’ny CST izy ireo.

Fa mikasika ny dinika ho famahana ny krizy politika kosa dia nanizingizina i Marson Evariste fa tsy misy ilana ny fifampidinihan’ny ankolafy efatra izany intsony, satria efa mazava ny resaka fa hita taratra ao anatin’ireo rafitra natsangana tahaka ny CT sy ny CST ny solontenan’ireo ankolafy telo milaza azy ho mpanohitra ny FAT amin’izao fotoana, ka tsy hita intsony izay antony hitadiavana ny marimaritra iraisana vaovao. Efa endriky ny fiaraha-mitantana no misy amin’izao fotoana, hoy i Marson Evariste ka tsy misy dikany intsony ny fitakian’ireo mpanohitra.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT