Politique

Fisorohana tondra-drano eto Antananarivo Fa natao inona ilay 53 miliara Ar mahery ?


  • Alarobia 19 Janoary 2022

Tafiditra tao anatin’ilay dingana voalohan’ny fandaharan’asa momba ny fanadiovana an’Antananarivo na PIAA ho an’ny taona 2017-2020 ho fisorohana tondra-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo dia nisy ny fiaraha-miasan’ny

 fanjakana Malagasy tamin’ny sampan-draharaha frantsay misahana ny fampandrosoana na AFD. Namatsy 53.102.232.504,85 ariary ireto farany ho fanarenana ny zava-misy. Ny 7 desambra 2017 no voasonia ny fifanarahana voalohany laharana 22706-AG/T/AFD/17 niaraka tamin’ny orinasa SOGEA SATOM izay natao haharitra 24 volana. Asa fanadiovana ireo tatatra sy fanarenana ireo toeram-pisintonan-drano maloto na « station de pompages et d’ouvrage vannés » amin’ny ankapobeny no isan’ny voarakitra tao anatin’izay fandaharan’asa fanadiovana na “assainissement” izay. Nisy ampahany mizara 10 tamin’ireo asa natao niaraka tamin’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy na MATP tamin’ny fotoan’androny, tamin’ny alalan’ny sampan-draharaha mpanatanteraka ny asa ho an’ny soa iombonana na AGETIPA no vita tao anatin’izany. Ny asa fototra izay misanda 12 tapitrisa Euros io natao ho tontosa voalohany io. Misanda 15 tapitrisa Euros ny manaraka. Mitentina 4 tapitrisa Euro kosa ny saram-panombanana ny mety ho vokatra azo avy amin’ny fanatsarana rehetra. Ny fisokirana ny tatatr’Andriantany, ny fanarenana ny fitarihan-drano eny Anatihazo Isotry, ny fanarenana ny fitarihan-drano eny Ambodimita, Tanjondroa, Vahilava, Ampanindrona, Anosy. Ny fanarenana ny eny amin’ny Vallée de l'Est eny Mandroseza, Tsarafaritra, Ampefiloha sy ny hafa maro moa no isan’ny voalaza ho tafiditra tanatin’ity tetikasa ity. Tsy novitaina araka ny tokony ho izy ve izany ny asa sa natao inona izay famatsiana izay ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT