Miteraka resabe ary mbola mitana ny sain’ny maro ny zava-mitranga manodidina ny fifidianana Ben’ny tanàna tao Nosy Be.
Nibaribary ny fanosihosena ny lalampanorenana mikasika ny fisaraham-pahefana manoloana ny fitsabahana miendrika fanaparam-pahefana ataon’ny minisitra. Raha tsiahivina dia kandidan’ny IRK, antoko eo amin’ny fitondrana, no Ben'ny Tanana amperinasa ao Nosy Be efa herintaona eo izay. Namoaka didy ny Filankevi-panjakana (Conseil d'Etat) ny 30 martsa 2021 fa lavina ny mahaBen'ny Tanàna azy satria tsy araka ny tokony ho izy ny fikirakirana fifidianana sy ny voka-pifidianana nahalany azy. Nahavelom-bolo ny mponina tany Nosy Be io didim-pitsarana io satria “marina sy rariny”, hoy izy ireo. Naaton'ny minisitry ny Fitsarana anefa io didy navoakan'ny Filankevi-panjakana momba ity fifidianana Ben’ny tanàna tao Nosy-Be io. Ny minisitry ny fitsarana nampahafantatra ny minisitry ny Ati-tany, ary ity farany indray nandefa ny toromarika ho fampiharana izany tamin’ny Prefe, izay solontenam-panjakana ao Nosy-Be. Fa nisy inona ? Ny lalampanorenana ho an’ny Repoblika fahefatra desambra 2010, ao amin’ny Savaranonando, dia manoritra mazava ny fisarahana sy fifandanjan'ny fahefana ampiharina araka ny fomba demokratika. Fahefana mpanatanteraka, Fahefana mpanao lalàna ary ny Fahefana mpitsara. Tsy voahaja anefa izany hoy i Franco, mambra TGV ao Nosy Be. Tany tan-dalàna ve isika ary aiza ny fahaleovantenan’ny Fitsarana nitakiana fanovana teto ? Mametra-panontaniana ny amin’ny tena lanjan’ny didim-pitsarana ihany koa ireo raiamandreny ao an-toerana manoloana izao tranga izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.