Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny cybercriminalité teny Anosy ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM omaly.
Tamin’ny 24 aprily dia nivoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny resaka mahakasika fanambarana nolazaina fa nataon’io antoko io, ary nampiasaina ny sarin’ny antoko sy nosandohana ny sonian’i Marc Ravalomanana. Fanambarana diso ary tsy marina io, izay nolazaina ao anatiny, fa ny Antoko TIM sy ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) dia tsy mankasitraka ny fitondram-panjakana izay mieboebo mamoaka ny covid organics. Tsy nanao izany ny TIM, ary tsy fanambarana nataonay mihitsy izany, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Sangy mihoatra ny loha ity, ary izay no tena nahatonga anay handray fepetra aleo hatao ilay fitoriana, ary isika tena mametraka mihitsy hoe tany tan-dalàna I Madagasikara. Misy ny tompon’andraikitra mahasahana izany rehetra izany, ary ihany koa mba hametrahantsika fitokisana amin’ny fitondram-panjakana hoe: tany tan-dalàna I Madagasikara ka rehefa hita hoe misy zavatra tahaka ireny dia ho hitantsika sy hiaraha-mahita eo hoe hatraiza ny fampiharana izay lalàna izay, hoy ity Sekretera jeneralin’ny TIM ity. Andrasan’ireo mpikatroka araka izany na hitovy tamin’ny hafainganan’ny fanenjehana an’i Arphine Rahelisoa ity raharaha ity na hihisatra satria olona manana sata ambony satria Filoham-pirenena teo aloha no nosandohana sy nampiasaina ny soniany, izay azo adika ho fandikan-dalàna mihoampampana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.