Politique

Fisafidianana ny laharampahamehana “Mahamenatra, aza atao sorona ny Malagasy”


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

“Tena mahamenatra, aza aroso hatao sorona ny Malagasy! Na ny mpanjanan-tany aza tsy nanao tahaka izao ny Malagasy! Taorian’ny fahazoana ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960,


 ity no fanjakana mampihomehy sy mpivarotra nofinofy indrindra tamin’ny vahoaka Malagasy!”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra teo aloha nandritra ny Fitondrana Ravalomanana ary efa Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidian’ny tetezamita notarihin-dRajoelina. Ny zavatra lazainy androany dia mifanohitra amin’ny hambarany rahampitso, ary any amin’ny farany dia zavatra hafa tsy nampanantenainy mihitsy no hataony, ary hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena io, hoy hatrany Atoa Zaza Ramandimbiarison. Efa nilaza tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa nisafidy ny tsy hiandany mikasika ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosianina any Ukraine. Nilaza fa tsy mitanila ka inona no atao hoe: tsy mitanila aminareo? hoy izy. Anton’io ny fanehoan-kevitra io ny fisian’ilay fifanaovan-tsonia ara-tafika tamin’ny Rosianina nosoniavina ny 18 janoary 2022 ary mihatra nanomboka ny 25 martsa araka ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao United News of India ny 01 aprily teo. Fifanarahana izay mikasika fitaovam-piadiana. “Tena mahamenatra! Izany ve no laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy? Sa kosa natao ho fiarovana ny mpitarika politika eo anatrehan’ny mety ho fitroaran’ny vahoaka eo anatrehan’ny zava-misy sy ny fahalovana efa miantraika aman’aina ankehitriny? Aza aroso hatao sorona ny Malagasy”, hoy hatrany izy. Nahitsy ny tenany nilaza fa tokony hatsahatra fanaovana tsinontsinona ny Malagasy na dia tsy afaka ny hitsangana manoloana ny lainga sy ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra aza izy. Tokony hahalala menatra ny mpitondra, ary tokony hametraka ho lohalaharana ny fiandrianam-pirenena, kanefa dia tsy afaka ny hampisakafo ny Malagasy maro an’isa akory, hoy izy. Fanampiana, tohana, ary trosa avy any ivelany no hany mba hiveloman’i Madagasikara, ary ny ankamaroany avy amin’ny Tandrefana, hoy Atoa Zaza Ramandimbiarison nampisaintsaina.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT